Iray volan’ny Alzheimer izao. Nampahafantatra ny momba izany aretina izany ny neurologue eo anivon’ny hopitaly Befelatanana (CHUJRB), Razafimahefa Julien. Fahasimban’ny sela anatin’ny atidoha antsoina hoe «neurone» no mahatonga ny olona mihavery fitadidiana tsikelikely. «Lasa miankin-doha amin’ny manodidina azy ilay marary amin’ny andavanandrom-piainany», hoy ny neurologue, Razafimahefa Julien, ao amin’ny CHUJRB. […]
Fiaraha-monina
MDN : nandray manamboninahitra frantsay
Tonga nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, teny Ampahibe, ny filohan’ny fikambanana SMLH na « Société des membres de la légion d’honneur », ny Amiraly Alain Coldefy. Nitana andraikitra ambony teo anivon’ny Tafika frantsay izy nandritra ny fotoam-piasany. Nandrafitra ny delegasiona notarihiny ny tomponandraikitry ny fiarovana eo […]
FAMILIANA FIARAKODIA : « Mila hentitra ireo sekoly mampianatra », hoy ny ATT
Nanamafy fiaraha-miasa ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tantety (ATT) sy ny sendikà ivondronan’ireo sekoly fampianarana mamily fiarakodia eto Madagasikara. Nodinihin’ny roa tonta ny fanatsarana ny tontolon’ny asa fampianarana mamily fiarakodia. Mila hentitra ireo sekoly mamolavola mpamily mba tsy hitera-doza eo amin’ny fifamoivoizana sy ny asany. Ankoatra ny fampianarana ny teknika, […]
Hopitalim-panjakana: hanatanteraka varavarana misokatra
Hanomboka rahampitso ary haharitra hateloana ny varavarana misokatra tanterahin’ireo hopitalim-panjakana rehetra tsy an-kanavahana manerana ny Nosy. Fisokafana amin’ny rehetra, ahafahana misitraka ny karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana izany. Ankoatra izany, ny fandidiana “hernie” ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona. Eo koa, ny fandidiana ireo manana fahasembanana amin’ny molotra na sima. […]
tanàna orange faha-29 : nahazo fotodrafitrasa sosialy maro Antsahafilo
4 000 ny mponina ao amin’ny kaominina Antsahafilo, distrikan’Ambohidratrimo. Sady nahazo fotodrafitrasa sosialy vaovao no nisitraka ny fanabeazana nomerika ny kilonga hirondra fivoarana ho an’ny fokontany efatra ao aminy. 140 taona aty aoriana vao noravana tanteraka ary nosoloina vaovao ny EPP ao amin’ny kaominina Antsahafilo, distrikan’Ambohidratrimo. Vokatry ny haratsin’ny fotodrafitrasa, […]





