Tsy misy fiovana ny zava-misy eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Mitohy ny fitokonana ataon’ny mpampianatra mpikaroka ary hihamafy izany rehefa tsy mamaly ny fitakiana ny fitondrana. «Efa niato tao anatin’ ny telo volana ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny asa fikarohana eny anivon’ny foibem-pikarohana sivy miankina amin’ny fanjakana eto Antananarivo”, hoy […]
Fiaraha-monina
Sempama : tsy manaiky ny hanaovana fitaovana politika ny fanabeazana
Nanao antso avo ho an’ireo hitantana ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka ny Kaofederasionina sendikaly Sempama, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambohijatovo, omaly. “Latsaka an-katerena tanteraka ny fanabeazana, izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana”, hoy Raharivohatra Claude, filohan’ny sempama. Mitaky ary tsy manaiky hanaovana fitaovana politika ny fanabeazana sy fampianarana […]
Tetikasa TNTs : mamaly ny hetahetan’ny mponina eto Antananarivo
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny tetikasa «Territoire Numérique en Transition» (TNTs). Notanterahana tetsy amin’ny Lapan’ ny Tanàna Analakely ny lalonana nanombohana izany. Vatsian’ny Afd vola ny tetikasa ary nanombohana izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hisitraka voalohany, araka izany, ny mponin’Antananarivo satria mamaly ny hetahetan’ny vahoaka ny fitaovana. Toy ny […]
Loka Poesam 2023 : lasan’ny tetikasa manohana ny voly kafe
Azon’ny tetikasa eo amin’ny fanohanana ny voly kafe any amin’ny faritra Itasy ny laharana voalohany tamin’ny tetikasa “Fandraharahana sosialy aty Afrika sy Moyen-Orient”, taona 2023. Niforona ny taona 2020 ny Moli Company hampahafantatra ny vokatra sy ny toerana niaviany ary ny tantsaha mamokatra azy. Be mpankafy eto an-toerana sy any […]
Distrikan’Ambohidratrimo : nohazavaina ny asam-panjakana eny ifotony
Notanterahina ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Ivato ny fitsidihana ifotony mitety ireo kaominina ataon’ny lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo, Raharijaona Andoniaina. Kaominina faha-21 tamin’ireo 24 tsy maintsy tsidihina ny ao Ivato. Araka ny lalàna 2024-21 dia tsy maintsy manao ny fampahafantarana ny politika ankapoben’ny fanjakana ny distrika. Fampitana amin’ny vahoaka ny lalàna misy […]





