Fiaraha-monina

Rafitra fampitandremana mialoha: hisy fandaharanasa ho an’ny taona 2023-2027

Hametraka fandaharanasa ho an’ny firenena, hotanterahina hatramin’ny taona 2027, momba ny rafitra fampitandremana mialoha ho an’ny rehetra ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) sy ny foibe famantarana ny toetry ny andro ary ny rafitra ivondronan’ny Firenena mikambana. Nisy fakan-kevitra nasionaly notanterahina nandritra ny roa andro izay […]

Tsy mahatody herinandro ny karaman’ny mpiasa: hanao fanehoan-kevitra am-pilaminana ny FSMM

Hanatanteraka fanehoan-kevitra am-pilaminana ireo sendikà mpikambana amin’ny fiombonamben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM) anio, eny amin’ny cathédrale Degs Ankatso. Voalazan’izy ireo fa tsy mahatody herinandro ny karama iray volana omen’ny mpampiasa satria tsy misy mihitsy ny “intégration” ary ambany be ny sandan’ny indemnité natokana ho an’ny trano fonenan’ny mpiasa. Tsy voaloan’ny […]

Dr Rabenirina Feno: avy amin’ireo karazan’aretina fototra no mahatonga ny aretim-po

Mahaliana ny olona ny mahafantatra ny fahasalaman’ny fony. Tsy ny sento sy hataitairana no hamaritana ny aretina fa mila tiliana mihitsy. Avy amin’ny karazan’aretina maromaro no mitarika ny tsy fahasalaman’ny fo raha ny fanazavana entin’ny Dr Rabenirina Feno. Nitondra fanazavana ny dokotera Rabenirina Feno fa maromaro ireo aretina fototra mitondra […]

vehivavy Naiditra am-ponja : nampiasa pasipaoro frantsay hosoka

Naiditra am-ponja eny Antanimora, afakomaly, ny vehivavy iray tratra nampiasa pasipaoro frantsay hosoka. Voasambotry ny polisy miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izy noho ny fampiasana io pasipaoro frantsay hosoka io, ny 10 septambra 2023 teo. Teo am-pikasana hivoaka ho any Addis-Abeba ity vehivavy ity no hitan’ny polisy fa hosoka ny […]

Dimy taona aorian’ny nametrahana azy : simba ny 63% amin’ny fotodrafitrasa fahazoana rano madio

Nohadihadiana sy nojerena akaiky ny olana amin’ny fahazoana rano madio sy ny sehatry ny fahadiovana sy fidiovana eto amintsika. Tan­jona ny hanome tolotra azo antoka maharitra, afaka misedra ny fiovan’ny toetr’andro amin’ireo zavatra telo ireo. Nanatontosa ny asa ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary fidiovana, miaraka amin’ny tohan’ny Unicef. […]