Niombom-po tamin’ireo traboina an-jatony, vokatry ny haintrano niseho afakomaly, etsy Ampefiloha Ambodirano, ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, izay iraky ny fitondram-panjakana rahateo. Nitondra izay voatsirambin’ny tanana, toy ny akanjo fitafy sy lamba firakotra ary kojakojan-dakozia izy, hiatrehan’ireo traboina ny andavanandrom-piainany vonjimaika. Nanamafy ny minisitry ny Mponina fa mila mitandrina […]
Fiaraha-monina
Ankazoabo Atsimo : Paikady roa hiadiana amin’ny tazomoka
Paikady roa sosona avy hatrany no hampiharina any amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo hamongorana ny aretina tazomoka. Anisan’izany ny famendrahana fanafody mamono moka isan-tokantrano tsy ankanavaka. Eo koa ny fizarana fanafody miaro amin’ny tazomoka avy hatrany. Hetsika mahazatra kosa ny fanentanana ny mponina hatory anaty lay misy odimoka na atoandro na alina, […]
Tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo : hiara-hiasa ny Unicef sy ny PAM
Ankoatra ny fizarana sakafo mitondra hery anatin’ny hamehana, hanao tantsoroka sosialy sy hanampy amin’ny fahafahan’ny ankohonana miatrika ny tetikasa vaovao any Atsimo. Atambatra ny asa nosahanin’ny mpisehatra rehetra miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ho an’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy ary Anosy, hifameno ny tohana sy ny asa ka hisy fiantraikany […]
The preachers : “Vavaka no fanalahidy hamahana olana”
Betsaka ireo loza sy karazam-pahotana misy maneran-tany. Efa maro ny olona tsy te hivavaka intsony ankehitriny. Sahirana ihany koa ny tanora malagasy, indrindra amin’ny fitadiavana asa sy ny fiheverana izay mety hahatafavoaka amin’ny fiainana. Tsy manosika ireo tanora ireo ny teknikam-panabeazana misy eto an-toerana ka mahatonga izany. “Vahaolana ny fanaovana […]
Kaominina Antananarivo Renivohitra : vita ny fanavaozana ny tsenan’ny Coum 67 ha
Vita soa aman-tsara ny fanatsarana ny tsenan’ny Coum etsy 67 ha. Manomboka miverina mivarotra ireo mpivarotra rehetra ao an-toerana. Nasiam-panavaozana sy nohatsaraina tao anatin’ny fotoana fohy ny tsenan’ny Coum 67 ha. Vita an-tsakany sy an-davany ny fotodrafitrasa ankehitriny. Mbola tsy nisy mpitantana ny kaominina nahavita asa goavana toy izao teo […]





