Fiaraha-monina

Kaominina Ampefy : nisokatra ny fizarana kopia nahaterahana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny kaominina Ampefy, ny fizarana ny didim-pitsarana misolo ny kopia nahaterahana. Tamin’ny volana jolay no nanaovana ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny minisitry ny Fitsarana sy ny OIF. Efa mahatratra 1 561 ireo nisitraka izany. “Tom­bontsoa maro no azo amin’ny fananana ny solona kopia nahaterahana. Anisan’izany ny fidirana […]

Fanisana ireo olona mila tohana: fitaovana enti-manatsara ny fiahiana sosialy ny RSU

Imasoan’ny fitondram-panjakana manomboka izao ny fanaovana ny rejisitra sosialy tokana. Handrindrana ny fisitrahan’ireo marefo ny tohana sahaza azy izany. Hatomboka any amin’ny distrikan’Ampanihy sy Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana, ny alatsinainy izao, ny fanaovana ny rejisitra sosialy tokana (RSU) eto Madagasikara. Tetikasa tanterahin’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny […]

Cnarp : namokatra fanafody am-polony avy amin’ny zavamaniry

Efa niorina ny taona 1976 ny ivontoerana fikarohana (Cnarp), mamboly sy mikarakara zavamaniry fanao fanafody. Maro ny voka-pikarohana vita hatramin’izay fa nisongadina nandritra ny ady tamin’ny fiparitahan’ny Covid-19 ny «solution hydroalcoolique» fanadiovana tanana; ny «niaoulee» ody sery, menaka fanosotra anaty orona ary ny “hevokina”, ody kohoka sy sery atao evoka, […]

AFF-Kaominina Ivato : ankizy 140 nisitraka kopia faobe

Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny fikambanana Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana (AFF) izay tarihin’ny filohany, Ravatomanga Haingo, no nahafahan’ireo ankizy 140 nisitraka kopia maimaimpoana omaly, teny Ivato. Niarahana tamin’ny fitsarana mahefa sy ny lehiben’ny dokotera ao an-toerana ny fanatontosana ny tetikasa “Kopia faobe”. Porofon’ny maha olom-pirenena ny fananana kopia ka […]

Dren Vakinankaratra : nisokatra ny taom-pianarana 2023-2024

Natao tany Antsirabe I, faritra Vakinankaratra ny fanokafana ny taom-pianarana 2023-2024. Ankoatra ny lanonam-panokafana, nisy ny tantsoroka nentin’ny minisitera ho an’ny sehatry ny fanabeazana Nosokafana, omaly, tany Antsirabe, faritra Vakin­ankaratra ny taom-pianarana 2023-2024. Ny ministry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle no nitarika izany tany an-toerana. Maro ny ezaka ataon’ny minisitera […]