Manofana sy manabe ireo olom-pirenena handray andraikitra amin’ny fifidianana ny Safidy (Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana). Nifarana omaly, tetsy Antananinarenina, ny atrikasa nokarakarian’izy ireo ho an’ny mpanao gazety, nandritra ny telo andro. Atrikasa mikasika ny paikadim-panabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena handeha hifidy. “Manana anjara andraikitra goavana ny mpanao gazety […]
Fiaraha-monina
Areti-mandoza : andairan’ny lefakozatra ny olon-dehibe
“Efa tsy ireo zaza intsony fa azon’ny lefakozatra hatramin’ny olon-dehibe amin’izao fotoana ”, hoy ny teknisianina eo anivn’ny DPEV, Dr Ranivoarison Jean Eric. “Nalemy teo am-pandriana ka niafara tamin’ny famoizan’aina avokoa ireo olon-dehibe tratran’io aretina io teto Analamanga”, hoy ny fanamafisany. Hiadiana amin’ny fiparitahan’io valanaretina io, hisy ny hetsika vaksiny faobe […]
Fanjarian-tsakafo : Iankinan’ny fisokafan’ny vavahadin-tsain’ny zaza
Tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny fanjarian-tsakafo ny sehatry ny fanokafana ny vavahadin-tsain’ny zaza, raha ny lohahevitra noresahin’ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo (ONN), omaly. Tsy tokony hatao ambanin-javatra, araka izany, ny sakafo ampy sy iankinan’ny fitomboan’ny zaza na ara-tsaina na ara-batana ao anatin’ny enin-taona voalohany hanokafana ny vavahadin-tsainy. Tombontsoa amin’ny fikoloana ny […]
Marotondro Vida : hanatsara ny tahan’ ny fanaovam-baksiny
Manana marotondro Vida azo kirakiraina amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ny fandaharanasa momba ny fanaovam-baksiny eto amintsika. Fitaovana iray manome torolalana amin’ny paikady hanatsarana ny fanaovam-baksiny izy ary ahitana ny antontanisa rehetra momba ny fahavitrihana, famatsiam-bola, ny fampitaovana samihafa eny anivon’ny distrika. Manampy amin’ny fanapahan-kevitra eny ifotony raisin’ny tomponandraikitra ny Vida […]
Tsarasaotra-Antsofinondry: mikojakoja ny lalana pavé ireo kaominina manodidina
Ifarimbonan’ny kaominina 4 ny fikojakojana ny lalana eny Tsarasaotra-Antsofinondry. Manatanteraka izany izy ireo ankehitriny. Saropiaro amin’iny lalana iny ihany koa ny kaominina ka ho hentitra amin’ny fanasaziana ireo minia manimba izany. Taorian’ny fidinan’ny governoran’Analamanga teny amin’ny lalana pavé mampitohy an’i Tsarasaotra sy Antsofinondry dia midina nanatanteraka ny fikojakojana iny lalana […]




