Fiaraha-monina

Oniversiten’i Barikadimy : mandrahona ny PAT, masiaka ny Seces

Taorian’ny fitokonana faobe nataon’ny mpiasa “PAT” (Personnel administratif et technique de l’université de Toamasina) ny talata, alarobia ary ny zoma, somary nisinda kely izany noho ny fifampiresahana tamin’ny prefet Toa­masina, Ambinintsoa Jean José sy ny filohan’ny oniversite, ny dokotera Razana­kolona Diny ary ireo solontenan’ny mpiasa mitokona. Hisy solontena alefa hiakatra […]

Mandrangobato I: diovina ny lakandrano ao anatin’ny fokontany

Ataon’ny olona fanariana fako sy maloto ny lakandrano eny Anosibe. Nandray andraikitra hanadio izany ny eo anivon’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I, nanomboka omaly. Nodiovina, nanomboka omaly, ny lakandrano eny amin’ny arabe ao anatin’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I. Diovina avokoa ny lakandrano eo anelanelan’ny Villa Tahirisoa hatreny amin’ny lakandrano Andranolava. Maharitra […]

Mpisehatra amin’ny taxi-ville : misy fivoriambe rahampitso

Nanao fanentanana ireo rehetra misehatra amin’ny taxi-ville ireo solontenan’ny mpisehatra amin’ny taxi rehetra eto Antananarivo Reni­vohitra ho avy amin’ny fivoriamben’izy ireo hotanterahina rahampitso, amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny kianja Mitafo Mahamasina. Araka ny nambaran’ireo solontenan’ny mpisehatra amin’ny taxi eto Antananarivo Renivohitra, zava-dehibe no hodinihina miaraka amin’ny ben’ny Ta­nànan’Antananarivo Renivo­hitra […]

Mpikaroka ao amin’ny CNRIT : nifehy ny fizaka-manana indostrialy

Anjaran’ireo mpikaroka ao amin’ny CNRIT indray no nisitraka fanamafisana fahaiza-manao, ny herinandro lasa teo, tao amin’ ny efitrano fivorian’ ny CNRIT. Tanjona ny hananan’ireo mpikaroka vao noraisina sy tranainy fahalalana ampy momba ny fizaka-manana indostrialy, sy ny lafiny haivao teknolojika ary ny fomba fiasa ara-kalitao eo amin’ny sehatry ny laboratoara […]