Fiaraha-monina

CUA : nanadio sy nanala ny fako eto an-drenivohitra

Nesorina ireo fako mitoby eny amin’ny boriborintany eto Antananarivo. Nisahana izany ny SMA. Nodiovina sy nesorina avokoa ny fako teo anivon’ny boriborintany re­hetra eto Antananarivo Reni­vohitra, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanatanteraka izany ny teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanadiovana ny fako (SMA). Nohe­tsehina avokoa ireo kamiao 21, izay nahavita […]

Hiara-hiasa ny minisitera sy ny ONG DSF : hofanina amin’ny zaitra ireo vehivavy voafonja

Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny ONG Douleur Sans Fron­tières ( DSF) ny hetsika vaovao manaja ny maha olona, mikendry ny fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy voafonja. Tanjon’ny fifanarahana ny hanomezana fiofanana mo­mba ny fanjairana, indrindra ny akanjo tohitena, pataloha ary salaka ho an’ny vehivavy azo sasana […]

Slam-Poésie : nifehezan’ny mpianatra ny teny frantsay

Nifarana ny herinandro teo ny atrikasa fiofanana “Slam-Poésie” nositrahan’ireo nahazo ny amboara tamin’ny fifaninanana nasionaly ho an’ny tantara an-tsehatra amin’ny teny frantsay. Narahin’ireo mpianatra avy amin’ny Lycée telo : Jules Ferry Faravohitra, Lycée Mixte Antsiranana ary ny Lycée Ambalakely-Lalangina ny fiofanana. Tanjon’ny fifaninanana nasionaly ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra amin’ny teny […]

Fampianarana eny amin’ny EPP : 35 000 Ar ka hatramin’ny 60 000 Ar ny latsakemboka efaina

Na tsy andoavam-bola aza ny fampianarana eny amin’ny EPP miankina amin’ny fanjakana, misy ny latsakemboka hanakaramana ny mpampianatra Fram efain’ny ray aman-dreny. Efa mandray ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024 ny eny amin’ny sekolim-panjakana. Ho an’ny EPP Antanandrano, taorian’ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana CEPE, araka ny tapaky ny fivorian’ny ray […]

Fahasalamana : nanampy ireo reny sy ny zaza ny loholona Ndriana

Nanao hetsika momba ny fahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza ny loholona, Rakotondrainibe Michel na i Ndriana. Nanomboka ny faran’ny volana jolay 2023 teo izany ka nanaovana hetsika manokana ny fisafoana sy fizahana fahasalamana maimaimpoana. Anisan’ny nanaovana izany ny teny Imeri­nafovoany sy ny manodidina, ho an’ny distrikan’Ambo­hidratrimo. Nitohy teny […]