Anisan’ny mikarakara ny fahasalaman’ny mponina amin’ny fanohanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eto amintsika ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Andraikitra lehibe sahaniny ny fampitaovana ny CSB sy ny fanomezana fanafody ary fametrahana mpiasan’ny fahasalamana any ambanivohitra. Ny ahazoan’ny vehivavy miteraka anatin’ny fenitra tsy hitera-doza ho azy ireo no tanjona. […]
Fiaraha-monina
Mpiasan’ny CUA : efa voaloa ny karama
Nisy ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpiasa sasany eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny alatsinainy lasa teo. « Antony nahatonga ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa ny fisedrana olana manoloana ny fampidiram-bola », hoy ny tale misahana ny mpiasa eo anivon’ny kaominina, Razafimandimby Rija Ethel Niaina. Nilaza izy fa mbola voaloa […]
Fanohanana ireo marefo-BNGRC : hanainga ny andiany faharoa hitondra sakafo
Manomana sahady ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza ny mpisehatra eny ifotony miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena. Misy vokany amin’ny vahoaka ny fahaizana mifehy ny fivoarana samihafa. Mitohy koa ny fanohanana ireo tokantrano marefo. «Fakan-tahaka aty Afrika i Madagasikara amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza satria manana paikady ampiharin’ny […]
SENVH-CUA : nitondra vahaolana momba ny tany eny 67Ha, Coum ary Antohomadinika
Nidina ifotony teny Antohomadinika Atsimo ny sekreteram-panjakana misahana ny Toeram- ponenana, Andriamanohisoa Gerard, sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, ny faran’ny herinandro teo. Namaly ny fangatahan’ny mponina teny an-toerana izy ireo. Nihaino mivantana sy nitondra fitoniana ho an’ireo mponina ny roa tonta mikasika ny lamina eo amin’ny tany honenany. Miandry […]
Fanadinana BEPC : betsaka ny Cisco efa namoaka ny vokatra
Am-polony ireo Cisco efa namoaka ny voka-panadinana BEPC hatry ny sabotsy teo. Anisan’izany ny Cisco Ambatomainty, Ambohidratrimo, Andramasina, Anjozorobe, Antanifotsy, Befotaka, Beloha, Beroroha, Faratsiho, Iakora, Ifanadiana, Mandoto, Manjakandriana ary Morafenobe. Miandry ny fivoahan’ny vokatra ny mpiadina eto Antananarivo Renivohitra. Hivoaka amin’ny herinandro ny vokatra, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Eo am-pamindrana […]





