Feno ny kapoaka! Mampiato ny fampianarana ny Seces, anio. Hitohy amin’ny fitokonana fanairana mandritra ny 72 ora izany raha tsy misy ny vahaolana hatramin’ny rahampitso. Miato tanteraka ny fampianarana rehetra eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo, anio, araka ny fanapahan-kevitry ny Seces. Tsy nisy ny finiavana avy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny famahana ny […]
Fiaraha-monina
Mantsaka alavitra ny ankizivavy : tsy afa-mianatra sady iharan’ny herisetra
Mizaka ny vokatry ny tsy fahazoana rano fisotra madio sy ny fisitrahana rano eo anivon’ny tokantranony ny vehivavy sy ny ankizivavy, araka ny tatitry ny fanadihadiana navoakan’ny Unicef sy ny OMS, mikasika ny zava-misy, nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2020. Tsy afaka mandeha any an-dakilasy ny ankizivavy fa lasa […]
Tsenan’ny Esplanade Analakely: hatao box mitovy ny hivarotan’ny mpivarotra
Nihaona tamin’ireo mpivarotra tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Ireo mpivarotra etsy amin’ny Esplanade Analakely sy ny manodidina no nidinika tamin’izany. Niompana tamin’ny tetikasa fandaminana sy fanatsarana ny tsenan’ny Esplanade Analakely ny resaky ny roa tonta. Hatao box mitovy avokoa ny tsena rehetra ao anatiny, […]
Toetry ny andro: hahery ny onja ao Morondava
Noho ny fikorontanan’ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy dia misy ny filazana fampitandremana nataon’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Filazana fampitandremana miloko mena, eo anelanelan’i Morondava sy Taolagnaro. Filazana fampitandremana miloko mavo ho an’ny morontsirak’i […]
«Festival de l’agriculture et écologie»: hitadiavana lalam-barotra ny tantsaha
Tanterahina, eny Ivato, nanomboka omaly ary haharitra telo andro, ny « Festival de l’agriculture et écologie » andiany faha-2, karakarain’ny Ecovillage Madagascar. Sehatra entina hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana eto Analamanga ity hatao eny Ivato ity. Tanjona ny hitadiavana lalam-barotra ho an’ny vokatry ny tantsaha. Fihaonan’ireo orinasa madinika sy […]





