Fiaraha-monina

CUA-hetsika ara-pahasalamana : nisitraka tolotra maro ny Boriborintany faha-V

Nidina ifotony nijery ny fizotran’ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny asa sosialy sy ny fahasalamana, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Anjaran’ny mponina eny amin’ny Boriborintany faha-V no nisitraka izany. Nizara roa ny toerana ka ny sasany eny amin’ny fokontany Ambohimi­rary […]

Seces Antananarivo : mitaky ny fialan’ny praiminisitra

Takin’ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka, sampana Antananarivo, ny fialan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Fampia­narana ambony ary ny minisitry ny Vola sy ny toekarena. Tsy nahatanteraka ny andraikiny izy ireo momba ny fanomezana vahaolana amin’ny fitakian’ny Seces ny antony. Nanao fanambarana izy ireo taorian’ny fivoriana, ny […]

Fokontany Tsarahasina, Ambohimangakely: novakina ny vatobe roa milanja 2200t

Tsy maintsy novakina amin’ny tanana ny vatobe roa ahina hiala amin’ny toerana ka hitera-doza ho an’ny vahoaka manodidina an’i Tsarahasina. Vatobe roa, milanja 2000t sy 200t, no novakina tao anatin’ny fokontany Tsarahasina, kaominina Am­bohimangakely, ho fanalefahana ny loza sy ny tandin­don-doza ho an’ny mponina manodidina rehetra monina eo, araka ny […]

CUA : vonona hamita ny andraikiny ny mpiasa

Nisy ny fihaonana teo amin’ireo mpiasa sy ny mpitantana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely izany. Nitarika ny fihaonana ny solontenan’ny ben’ny Tanàna, Razafimandimby Rija Ethel Niaina sy ny lehiben’ny Vondrona monisipaly, ny kaomisera Whenss Ostrom. Maro ny lahadinika nifampiresahan’izy ireo nandritra izany. Anisan’ny […]