Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fikitihana ny tetibola anatin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy ampahany amin’izany alefa amin’ny fividianana fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana haparitaka amin’ny hopitalim-panjakana amin’ity taona 2023 ity. Miisa 3 496 701 ireo vehivavy sy renim-pianakaviana izay efa manao fandridram-piterahana hisitraka izany fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana […]
Fiaraha-monina
FANADINANA BEPC : nampiana-tena ilay zokiolona 70 taona
“Voafehiko tsara ny laza adina tamin’ny taranja Histo-Géo ny alarobia maraina teo”, hoy ilay zokiolona 70 taona, monina eto Antananarivo, niatrika ny fanadinana BEPC voalohany teo amin’ny fiainany, tamin’ity taona ity. Anisan’ireo mpiadina farany nivoaka ny efitrano fanadinana izy taorian’ny ora telo naharetan’ny taranja, omaly maraina. Manana paikady manokana izy […]
Lisi-pifidianana : mifarana anio ny fanamarinana
Mifarana anio ny fahafahan’ny olompirenena manamarina sy manitsy ny momba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana, araka ny fe-potoana nomen’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI). Raha tsiahivina, nahazo 20 andro indroa miantoana, ny olompirenena tsirairay nanamarinana na nanitsina ny momba azy tao anatin’ny lisi-pifidianana, teny amin’ny fokontany misy azy avy. […]
Tsenabe By pass – Atsimondrano : hetsika ara-toekarena hitsinjovana ny tontolo iainana
Hotanterahina eny By pass, ny 20, 21, 22 ary ny 23 jolay ho avy izao ny tsenabe “Vitrine d’Atsimondrano”. Hetsika karakarain’ny Fikambanana Manasoa. Hampiranty sy handray anjara mandritra izany, ireo orinasa 250 (vaventy sy madinika) eny an-toerana. Toy ny tontolon’ny fambolena, fiompiana, asa tanana, fampiofanana, fampianarana… Tanjona ny hisian’ny tolotra sy tinady […]
Faha-55 taonan’ny FJKM : hatsangana ny fahitalavitra Fahazavana
Hanetriketrika ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny FJKM, hotanterahina any Ambanja, ny 18 aogositra izao, mandritra ny fihaonamben’ny diakona sy ny loholona. Efa samy manomana ny isam-pitandremana rehetra amin’ny fanamarihana izany. Tsangambato lehibe no haorina dia ny fananganana ny fahitalavitra Fahazavana sy ny fanavaozana ny radio Fahazavana. Ny ezaka rehetra vita […]





