Niara-nitafa ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikambanana pedagojika eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo, teny Fiadanana. Naverina ny fampahafantarana ny lalan-jotra momba ny vatsim-pianarana sy ny laminasa amin’ny fanarenana sy fanorenana fotodrafitrasa. Noresahana ihany koa ny dingana efa hirosoana amin’ny famahana ny olan’ny jiro amin’ireo toeram-pianarana […]
Fiaraha-monina
Andro afrikanina ho an’ny skoto : any Kenya i Amboara Rabe-Harinoro
Misolotena an’i Madagasikara mandritra ny fankalazana ny Andro afrikanina ho an’ny skotisma 2023, any Kenya, i Amboara Rabe-Harinoro. Nomarihina, omaly, izany tany an-toerana. Anisan’ny mpandray anjara amin’ ny “Scout Go Solar” any an-toerana amin’izao fotoana izao koa ny tenany. Vahaolana vaovao ho an’ ny hoavy maharitra no lohahevitra voizina amin’ity […]
Fandaharanasa Yali RLC : tanora mpitarika malagasy 10 voafantina
Misitraka ny fandaharanasa “Yali RLC” ny tanora malagasy 10 mianadahy ary efa mikatroka fiofanana any Pretoria, hatry ny omaly. Fanandratana ny tanora aty Afrika ity fandaharanasa ity. Nihaona teny amin’ny American Corner Antananarivo, ny herinandro teo, ireo tanora malagasy 10 mianadahy, voafantina amin’ny andiany faha-20 amin’ny programa “Yali Regional leadership […]
“Magnafana 2023”: nanao hetsika fizaham-pahasalamana any Atsimo ny “Bataillon médical”
Ao anatin’ny vinan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa ny hanamafisana ny hetsika ara-tsosialy eny anivon’ny vahoaka, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny rivodoza izao. Manoloana izany, nanatanteraka hetsika fizaham-pahasalamana antsoina hoe “Magnafana 2023” any amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy, faritra isan’ireo voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ireo miaramila avy ao […]
Afovoan-tany : hiverina ny oram-baratra ny alarobia
Ny alarobia vao hiverina ny oram-baratra eto afovoan-tany sy manerana ny Nosy ankoatra ny any amin’ny faritra Sava sy Analanjirofo izay hahazo orana malefaka, hoy ny teknisianina ao amin’ny foibe famantarana ny toetr’ andro, omaly. Ho an’ny anio sy rahampitso, hanjaka ny rahona ary mety hisy orana malefaka ny alina. […]




