Hanatanteraka ny hetsika “Hazakazaka masina rodobe” ny foibe FJKM, ny 15 avrily izao. Ny kristianina rehetra amin’ireo fitandremana manerana ny Nosy no handray anjara amin’izany. Efa misokatra ao amin’ny fobe FJKM Analakely ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hanatanteraka ity hetsika ity. Hiainga eo amin’ny FJKM Antanetibe Fitiavana ny […]
Fiaraha-monina
Hanampy ny ambaindain’ny fampianarana : handray mpiasa 400 ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika
Handray olona hiasa miisa 400 ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Fantatra izany, araka ny naoty laharana 410- 2022/ METFP/SG, ny 14 oktobra 2022, ary nohamafisina tamin’ny alalan’ny tolotra ho an’ireo rehetra liana AMI, laharana 060- 2023/ METFP/ SG navoakan’ny ministera. Mpiasa vaovao 400 isa no horaisin’ny minisiteran’ny […]
Tolom-panafahana 1947: hiavaka ny hetsi-pahatsiarovana amin’ity taona ity
Maro ny hetsi-pahatsiarovana ny tolom-panafahana amin’ity taona ity. Mba hameloma-maso ny tantara sy hampitana ny fitiavan-tanindrazana amin’ny taranaka rehetra. Fahatsiarovana ny faha-76 taonan’ny tolom-panafahana. Hiavaka ny hetsi-pahatsiarovana ataon’ny Fitaleavan’ny mpiady tia Tanindrazana (DCN) eto amin’ny Nosy amin’ity taona ity. Hankalazaina manerana ny faritra telo eto amin’ny Nosy ny ivon’ny fankalazana. […]
Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : fianakaviana 826 ao Tovona, Farafangana notohanana
Distrika anisan’ny ahitana zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika i Farafangana, araka ny fanadihadiana SMART taona 2022, natao teny ifotony. 8,6% ny tahan’izany eo amin’ny ankizy enim-bolana ka hatramin’ny 59 volana. Mitohy ny hetsika sosialy ataon’ny solombavambahoaka voafidy ao amin’ny distrikan’i Farafangana, Raheriarijaona Regina Clarisse, miaraka amin’ny Ofisim-paritra momba ny […]
Rivodoza Freddy : hiverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika
Hiverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika afaka hateloana indray ilay rivodoza Freddy. Mangatsiaka ny maripanan’ny ranomasina ao ka heverina fa tsy hitombo hery izy, hoy ny teknisianina ao amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Arahi-maso ihany ny fivoarany sy ny mety ho fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto amintsika. Ny […]




