Fiaraha-monina

Akademia Miaramila : manao fizaham-pahasalamana ireo mpifaninana

Niatrika ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana hi­dirana ho mpianatra ho ma­namboninahitra amin’ny andiany mivantana faha-46 sy andiany manokana faha-26 ireo afaka tamin’ny dingana voalohany, ny 6 ka hatramin’ ny 10 marsa lasa teo. Nidina any amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe ny talen’ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) […]

Tsena Tsimialonjafy : hokarakaraina ny taratasin’ireo mpivarotra hampamarin-toerana azy

Omaly, nidina teny Ampa­sapito, nitsidika ny tsena tsimialonjafy indray ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina sy ireo mpiara-miasa aminy. Nihaino mivantana ny he­tahetan’ireo mpivarotra ny tenany ary nankahery azy ireo amin’ny fiatrehana ny fiainana. Novalian’ny ben’ny Tanàna avy hatrany ny fanirian’ireo mpivarotra eny an-toerana. Nambarany fa ho laharam-pahamehana ny fikarakarana ny […]

Ady amin’ny fiparitahan’ny tsaho : nitady paikady ireo vondron’olona to teny

Notanterahina tetsy amin’ ny Le Hintsy Ambohima­nam­bola, omaly, ny loabary an-dasy mikasika ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny vaovao diso sy ny tsaho nandritra ny valanaretina Covid-19. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Rooted in Trust”, izay volavolain’ny Ilontsera sy ny In-ternews ny hetsika. Omaly, novoriana ireo toko telo mahamasa-nahandro: mpanao gazety sy […]

Oniversiten’Antananarivo : efa tomombana ny famatsiana herinaratra

Nanao fanambarana ny sampandraharaha misahana ny serasera sy ny fifandrai­sana amin’ny daholobe eo anivon’ny fiadidiana ny oniversite fa efa tomombana avokoa ny fotodrafitrasa eo anivon’ny oniversiten’Antanana­rivo taorian’ny fanavaozana samihafa natao. Mandeha tsara avokoa ny famatsiana herinaratra, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Jirama eny amin’ireo toeram-pampianarana Cathédrale, ny kianja mitafo… Mijery […]

BNGRC: traboina 52.985 nisitraka ny fanampiana

Miantsehatra mivantana eny ifotony ny BNGRC amin’ny fanatanterahana ny famonjena ireo traboina. Fianakaviana 10.597 no nisitraka ny fanampiana nandritra ny rivodoza Freddy teo. Nandritra ny telo volana nanjakazakan’ilay ri­vodoza Freddy tamin’ ireo distrika maromaro teto Madagasikara, analiny ireo traboina vokatry ny fiakaran’ ny rano. Nanatanteraka ny asany ny BNGRC amin’ny […]