Fiaraha-monina

8 marsa: mahaleo tena ny vehivavy mpandraharaha

Nihaona teny Ambo­hitsoa ireo vehivavy mpandraharaha ao anatin’ny fikambanana A-FAM (femmes autoentrepreneures à Madagascar), omaly. « Mahaleo tena ny vehivavy mpandraharaha sy mahay mamaha olana ary manatsara ny lesoka nisy teo amin’ny fiainany sy eo anivon’ny asa fandraharahany”, hoy ny filoha mpitantana ny Chic et Curly, Karmen. Nilaza izy fa matahotra […]

Asa vonjy voina ao Marovoay : hanohanana ireo traboina taorian’ny rivodoza Cheneso

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, tokantrano maherin’ny 4 200 no traboina tao amin’ny distrikan’i Ma­rovoay. Rehefa nanome toromarika ny BNGRC, natomboky ny Fonds d’intervention pour le développement (FID) ny «Asa vonjy voina». Ha­nam­piana ny mponina any an-toerana hiarina haingana ary hiverina amin’ny fiainana andavanandro no tanjona. Teo ny asa fanarenana sy […]

vatsim-pianarana : misokatra ny fangatahana

Misokatra ny vatsim-piana­rana avy amin’ny Sam­pandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny si­ansa sy ny kolontsaina, Unes­co, ho an’ity taona ity. Na­toka­na ho an’ny tanora siantifika, anatin’ny fandaharanasa miompana amin’ny olombelona sy ny tontolony izy io na ny vatsim-pianarana MAB. Tanjona amin’io vatsim-pianarana io ny fampirisihana ny tanora siantifika, indrindra ireo tanora […]

Rajoelina Mialy: “Manana fahaiza-manao ahafahany mizaka tena ny vehivavy…”

“Ankizivavy mianatra, vehivavy mizaka tena antoky ny fampandrosoana lovain-jafy” no lohahevitra nanamarihana ny Andro ho an’ny zon’ny vehivavy, teto amintsika. «Manana fahaiza-manao ahafahany mizaka tena ny vehivavy fa mila tohana sy fanohanana hampisehoany izany», hoy ny vadin’ ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, omaly, teny Mahamasina. Tao anatin’ny lahateniny, nanamarihana ny […]

Fikambanana Destiny Ivato : vehivavy sahirana 400 nizarana fanampiana

Fizarana fanampiana ho an’ireo renim-pianakaviana sahirana tao amin’ny kaominina Ivato no nanamarihan’ny fikambanana Destiny ny An­dron’ny vehivavy, omaly. Fi­kambanana tarihin-dRamatoa Randrianarisoa Hoby, vadin’ ny ben’ny Tanàna miantsehatra amin’ny asa sosialy sy ny fitsimbinana ny sahirana. Hisitraka asa ihany koa ireo vehivavy anjatony vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpanohana hatrany. Fiaraha-miasa […]