Fiaraha-monina

Nesorina ny mpianatra, nakatona ny ESPA Vontovorona : mpianatra efatra hiatrika filankevim-pifehezana ny 20 marsa

Nesorina tamin’ny efitrano fandraisana ny mpianatra teny Vontovorona, omaly, ary nakatona ny sekoly ambony, araka ny toromariky ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo. Namonjy fianakaviana avokoa ireo akaiky fa ireo avy any amin’ny faritra sisa no afaka mijanona. Nanatrika ny fanesorana ny mpiasan’ny oniversite sy ny mpitandro filaminana. Mpianatra efatra eny amin’ny […]

Fitandroana filaminana : nanao fanazaran-tena niaraka tamin’ny GSIS ny Amerikanina

Nanatanteraka fanazaran-tena iombonana sy fifampizarana traikefa teny amin’ny masoivoho amerikanina, afakomaly, ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny filaminana eo anivon’ny ma­soivoho (RSO) sy ny vondron-kery manokana (GSIS) eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ity fanamafisana fahaiza-manao ity, nahitana sarinady sy fomba firotsahana an-tsehatra raha misy hamehana. Samy nandray anjara tamin’izany avokoa ireo ekipan’ny RSO, […]

“Brigade anti-Piratage”: Kapila hosoka maherin’ny 28 000 nodorana

Mitohy ny ady amin’ny famongorana ny kapila hosoka. Nodorana omaly avokoa ireo vokatra piraty azon’ny sampandraharaha misahana amin’io ady io. Maherin’ny 28 000 ny isan’ireo kapila ho­soka, azon’ny teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fanaovana hosoka, nandritra ny taona 2022. Vokatra hosoka avy eto Antananarivo avokoa ny 80% tamin’ireo […]

Pavillon Analakely : tontosa ny famindram-pitantanana

Tontosa, omaly, tetsy amin’ ny Tranompokonolona Anala­kely, ny famindram-pitantanana eo amin’ny Filohan’ny fi­kambanan’ny mpivarotra ta­loha sy vaovao eo anivon’ny Pavillon Analakely. Nanaton­tosa izany ny filoha taloha, Rtoa Sarah sy ny filoha vaovao, Atoa Rakotonirina Clau­de. Toarian’ny disadisa teo amin’ireo mpivarotra, tsy na­naiky ny SMGD. Niroso tamin’ ny fifidianana ny ho […]

Innovation Room-Andraharo : ivontoerana ahazoan’ ny tanora mampiroborobo ny tetikasany

Nanangana ivontoerana iray natokana ho an’ny tanora ao anatin’ny foiben’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana, eny Andraharo, ny Tahirin’ny Firenena mi­kambana momba ny mponina (UNFPA). Ivontoerana ahafahany mamolavola tetikasa vaovao mifandraika amin’ny sahanasan’ny UNFPA eto Ma­dagasikara sy ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy. « Misy fitaovana momba ny teknojia vaovao (TIC) ao anatiny ary azon’ny […]