Fiaraha-monina

Mihena ny fanaovam-baksiny: 200 ny tranga vaovao amin’ny poliomelita voatily

Nanomboka ny volana septambra 2020 ka hatramin’izao, 200 ny tranga voatily teto amintsika ary tsy ny ankizy madinika ihany no tratrany fa hatramin’ny tanora. Nahi­tana tranga iray niseho tamin’ ny olona efa 24 taona. Teto Antananarivo, amin’ny dis­trikan’Atsimondrano no naha­tiliana ny tranga farany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Unicef, […]

Haraton’aina : fandaharanasa telo manarina ny marefo

Tanterahina ao Toamasina, nanomboka omaly, ary haharitra 3 andro, ny herinandron’ ny haraton’aina, tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. He­tsika hanasongadinana ny tetikasa “Haraton’aina” sy fampahafantarana ny olona ny karazana tohana misy. Fiahiana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ireo fandaharanasa 3 lehibe ny haraton’aina. Mamaly ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fi­tondram-panjakana amin’ny fanarenana ny fiainan’ny […]

Kaominina Antananarivo renivohitra: mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po

Tsy ara-dalàna ny fitantanana fotodrafitrasa eny anivon’ny boriborintany sasany eto Anta­nanarivo. Mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po amin’izany. Manampy amin’ny fanaraha-maso izany ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa, natao omaly. Vita omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpitan­tana “borne fontaine” sy “bloc sanitaire”. […]

Zava-mahadomelina : 7 mianadahy nahatrarana héroïne

Olona 7 mianadahy indray voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina tao Toamasina, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa ahitana mpivarotra io karazan-java-mahadomelina io ao an-toerana. Nanao ny paikady na­hafahana misambotra ireo mpidoroka ireo ny polisy. Vokany, mpi­varotra rongony mahery vaika “heroïne” ny 3 tamin’ireo tra-tehaka. Mpi­do­roka ary efa miankin-doha tanteraka amin’io […]

Tetikasa Tafaray : hojerena miaraka ny fahasalaman’ny olona sy ny biby

Tetikasa manaraka ny fitsipiky ny Fahasalamana iraisana (One health) momba ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny fahasalamana mifandraika amin’ny tontolo iainana ny tetikasa “Tafaray”. Tetikasan’ny fitondrana, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ary haharitra hatramin’ny taona 2026, ny “fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona”. Hitsinjovana hatrany ny fahasalamam-bahoaka no tanjona ary […]