Indraimbava

Mandeha haingana sy lavitra

  “Raha te handeha haingana ny tena, mandeha irery; raha te ho lasa lavitra, miaraka amin’ny besinimaro”, hoy ny ohabolana afrikanina iray izay. Izay ny mahatonga izay mandeha irery na ny vitsy anisa manao hitsin-dalana? Na mitompo teny fantatra amin’izay lazainy sy ataony, manelingelina ny hafa, manakorontana aza indraindray… Amin’ny […]

Mila mijoro!

  Trangam-piarahamonina mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fibodoana tany ataon’ny olona mpanam-bola sy manam-pahefana. Ireo tantsaha any ambanivohitra no mahita faisana. Miseho amin’ny endriny maro ny halatra, manginy fotsiny ny fanambakana. Miaritra ny mafy sy tsindrihazolena ireo marefo sy tsy misy mpiaro. Manao ilay tsindriofalavo ny ankamaroan’ny Mafia. Ny […]

Mpamosavy malemy

  Mampalahelo ilay toe-tsaina malagasy. Mivadika tanteraka ny fomba fiaina. Zary fahafinaretana faobe ny mahita ny fahavoazana mianjady amin’ilay taninjanaka sy ny mpitondra ao aminy. Nahita taratra izany indray, omaly, ny fiparitahan’ny vaovao tamin’ny tambajotran-tserasera momba ny Kianja Barea Mahamasina. Mbola tsy afaka mandray lalao i Mahamasina. Mahavariana fa ireo […]

Misy antony fototra

  Koreanina 88 taona sy ny zanany 58 taona no maty notafihin’ny dahalo. Ny ben’ny Tanànan’i Manga­taboahangy, distrikan’Ambatofinandrahana, Amoron’i Mania, namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy… tamin’ny herinandro ireo. Vono olona efa nomanina mialoha? Na ahoana na ahoana, saika mifaningotra amin’ny toy izany ny fitiavan-tena tsy te ho […]

Mitaintaina!

Anisan’ny vaovao goavana hivoaka ato ho ato ny mahakasika ny fankatoavana na tsia ny kianja Barea, Mahamasina. Samy miandry anaty fitaintainana avokoa ny olom-pirenena rehetra sy ny mpankafy baolina kitra. Tsy mbola misy ny vaovao amin’ny fomba ofisialy nivoaka avy any amin’ny Kaonfederasiona afrikanina momba ny baolina kitra. Ny resabe […]