Mijaly ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana. Mitotongana ny vola Malagasy, ny Ariary, mitaha amin’ny vola vahiny. Mitakalo 5000 Ariary latsaka kely ny euro iray. Mazava be ny dikan’izany: tsy maintsy hiakatra ny vidim-piainana ! Mizaka ny vokany ny sarambabem-bahoaka sy ny mpikarama isam-bolana izay mikarama vary masaka. […]
Indraimbava
Fiaraha-mientana
Mbola mitana ny sain’ny besinimaro ny mahakasika ny resaka tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy na misy aza ny ezaka manokana ataon’ny mpitandro filaminana. Areti-mikiky ny fiarahamonina, miankina amin’anton-javatra maro izany. Tsy vitan’ny fampiasan-kery sy ny fifanasana vangy amin’ny resaka politika ny famahana azy. […]
Izay voky no mangina
Efa hita miparitaka amin’ny fitaovan-tserasera fa hanao ny fianianany amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy, ho amin’ny dimy taona manaraka i Andry Rajoelina. Efa mandamindamina izany avokoa ny ekipa rehetra, indrindra ny eny an-dapa. Adidin’izy ireo rahateo ny mamolavola sy mandamina izany mba tsy hisy ny lesoka. Mariky ny ho fahombiazana […]
Vonjeo ny tantsaha !
Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny andavanandron’ny mponina. Mifanindran-dalana amin’izany koa anefa ny tsy fandriampahalemana. Tena mihorohoro ny mponina amin’izay rehetra aleha. Tena mila vonjy ny any ambanivohitra. Mikaikaika amin’ny hafitsoky ny dahalo. Tsy ny malaso mirongo fitaovam-piadiana ihany fa hatramin’ny dahalo ambony latabatra. Zary tsy matoky intsony ireo mpisehatra […]
Fihodinana faharoa
Efa naneho ny heviny ny vahoaka tamin’ny fifidianana teo. Tao ny tsy nifidy, ny vato fotsy, ny nifidy kandidà iray… Efa nivoaka ny didim-pitsarana ny amin’izany. Inona na ahoana koa ny manaraka? Ahoana ireo tsy manaiky didim-pitsarana? Na mikiribiby amin’ny heviny nefa efa notsarain’ny vahoaka tamin’ny fifidianana… Mbola hisy […]




