Indraimbava

Tsy ho kobaka am-bava

  Lany tamin’ny fihodinana voalahany izany ny filohan’ny Repoblika hitondra an’i Madagasikara anatin’ny dimy taona hoavy. Vita mifanaraka amin’izay ihany koa ny andraso andraso. Miandry asa sy vokatra ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Miditra amin’ny fotoanan’ny asa avokoa ny olom-pirenena tsirairay. Indrindra ny filoha Andry Rajoelina. Miandrandra ilay fampandrosoana nilokalokana ny […]

Voaheloka ny handroso !

  Migadona ny andro iray hanamarika ny tantaran’i Madagasikara. Hivoaka anio ny voka-pifidianana avy eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Didy tsy azo ivalozana. Izay tapaky ny mpitsara ambony eo dia tapaka. Nitohy mandraka ny omaly ny fandinihan’ny mpitsara ny fitarainana sy ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany. Na inona na […]

Mihenjan-droa

  Milaza tsy tia vary mohoka kanefa mahalany sosoa be rano, izay no azo ilazana ny mpanao politika malagasy ankehitriny. Manenjika sy manilika olom-pirenena lazaina fa vazaha kanefa miantso vonjy any amin’ny vazaha. Ny zava-doza, manankina ny hoavin’ny firenena iray manontolo any amin’ny vahiny. Mikiribiby mihitsy ny handrombaka fahefana amin’ny […]

Tsikalankalam-pihavanana

  Raha manaraka ny vaovao amin’ny tambajotran-tserasera sy ny fitaovana fampitam-baovao mahazatra dia mihorona andro aman’alina ny hodi-doha. Mahavalake­traka ny mijery sy miaina ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy hita ny hisokajiana ilay andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Tena mirona tanteraka any amin’ny gaboraraka sy fanaovana izay danin’ny kibony. Maloto tanteraka ara-bakiteny sy […]

Samia…saro-piaro

  Vita izay ny ampahan’ny asa manodidina ny fifidianana. Mivoaka ny vokatra vonjimaika izay tsy hifanalavitra amin’ny vokatra farany, tsy azo ivalozana, avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Efa hita ny mpandresy ary efa mijanona ho fihodinana voalohany ny fifidianana. Tsy nanararaotra ny herijika nahafahany naneho hevitra ny sasany. […]