Mahafinaritra ny mahita ireo mpanao politika serintseriny amin’ny fanomanana ny fifidianana ho avy rehetra. Samy miolomay mitady mpiara-miombon’antoka any ivelany avokoa ny mpifaninana ho filohan’ny Repoblika. Manao ny ady sisika amin’ny mpanambola sy ny resaka diplomatika. Ny iraisan’izy mianakavy, tsy mbola mahazaka tena irery. Tsy maintsy miankindoha amin’ny vahiny […]
Indraimbava
Tsy vola fa hevitra
Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vahoaka no antom-pisian’ny mpitondra. Ho an’ny vahoaka izay rehetra ataony. Ny vahoaka izany no lehibe, mpampiasa… Hatraiza? Izay ilay hoe natao hanompo vahoaka, fa tsy hotompoina ny mpitondra. Fifanarahana sosialy na fifanarahana amin’ny asa no ifanaovan’ny roa tonta amin’izany. Amin’ny alalan’ny […]
Filoha dia filoha
Ny vola no ndeha hatao fototry ny resaka sy adihevitra amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao? Tsy inona fa ny amin’ity hoe 200 tapitrisa Ar ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina. Misy ny tsy taitra. Toa zarany aza? Ao ny mampiaka-peo, miakatra afo… Ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny? Na ny […]
Loza… adina
Laza adina mivoaka alohan’ny fotoana? Efa nahabe resaka tamin’ny fanadinana BEPC. Nidona ary nihatra amin’ny fanadinana bakalorea. Tantara be ny laza adina tantara sy jeografia. Aleo handeha ary ho hita eo ny fandaminana: famerenana ny fanadinana anio, fahazoan’ny mpiadina misafidy na hiatrika izany na tsia, izay isa tsara no […]
Ady fiady… saro-pady
Mahabe resaka tato ho ato ny sosialim-bahoaka. Hadinodino? Eny, na efa nambara aza fa ho laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’ity taona ity. Mby aiza? Voalohany sy lehibe ary maika amin’izany ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Anisan’ny antony sy vokatry ny lafin-javatra hafa rehetra? Fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy fampandrosoana, raha tsy […]




