Indraimbava

Baomba be !

  Nilatsaka ny vaovao efa nampoizina, omaly! Vaovao baomba be! Voatendry ho filoham-panjakana mpisolo toerana ny jeneraly Ravalomanana Richard. Tsy nahataitra ho an’ny efa mpamaky raharaha politika. Tohin’ny lojika amin’ny kajikajin’ny mpiantsehatra hatrany am-boalohany izany raha vao nanomboka niely ny feo fa hirotsaka ho kandidà ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry. […]

Misosa moramora

  Mandeha miadana ny fampielezan-kevitra manerana ny lafivalon’ny Nosy, indrindra ho an’ny kandidà telo. Eny an-kianja, manohy ny fandresen-dahatra ny mpifidy ny laharana faha-3 sy ny faha-11 ary ny faha-13. Samy amin’ny paikadiny izy ireo. Raha Manao be fiavy amin’ny seho an-tsehatra sy famoriam-bahoaka ry Randria­nasoloniaiko Siteny sy Rajoelina Andry, […]

Vilam-bava!

Mampametra-panotaniana tanteraka ny foto-pisainana ataon’ny mpanao politika sasany. Ilay tsy lojika no zary lojikam-piainana eto Madagasikara. Ny marina havadika ho diso, ny mahitsy no lazaina fa mibiloka. Ny mpitarika aza toa mpitari-bato vilam-bava. Mivoy sy mitaky fampiharana lalàna, saingy mandika lalàna mibaribary. Tena manao fa­nahy iniana, sanatria manao fifampihantsiana. Mazava […]

Handrora mitsilany

  Misamboaravoara ilay sambobe antsoina hoe Madagasikara. Tsy hita izay handraisana ny tolon’ilay vondron’ny kandidà 11 sa efa 10 ankehitriny? Ilay iraikalahy, nandeha nanao fampielezan-kevitra, milaza mpikambana feno amin’ny hetsika. Nisalotra lamba fotsy, nilaza fa mariky ny firaisan-kina. Mivoy ilay tsy fitiavam-bazaha ka zary miteniteny foana, toa mandrora mitsilany. Vadim-bazaha… […]

Tsy mandeha ila

Mpandresy ! Mpandresy ! Ambeti-tenin’ny mpanao politika ankehitriny. Mba azon’izy ireo an-tsaina ve anefa ny dikan’izany ? Sao sodokan’ny olona marobe fotsiny ny ankolafin-kery rehetra. Mahavariana ny mahita ny vondrona izatsy na izaroa midehaka fa izahay no nahazaka olona be indrindra. Raha ny hamaroan’ny olona angamba no maridrefy hanaovana tombana, mety lany fihodinana […]