Indraimbava

Manam-bola e !

« Tsy mahantra ny Malagasy !», fehezanteny iray nanaovana eson-teny tamin’izany fotoana. Nihomehezana ilay filohan’ny Repoblika, nolazaina fa miteniteny foana. Toa manana ny marina izy raha  mijery ireto olona 28, nametraka taratasy firotsahan-kofidiana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, ireto. Mitentina 5 600 000 000 Ar na dimy miliara sy enin-jato tapitrisa Ar ny […]

Lela roa !

  Ao anatin’ny fihetsiketsehana amin’ny fifidianana tanteraka i Madagasikara. “Roso itoy, tsa mipody koa” ! Efa tafakatra 17 be izao ny olona nanatitra antontan-taratasiny teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly. Mihazakazaka ny mpanao politika na efa midangana dia midangana aza ilay anto-bola takina amin’izy ireo. Ndeha hatao […]

Mafana…mafana !

Vita izay ny lalaon’ny Nosy. Nafotaka ny fifaninanana. Tsy an-kitsitsy fa tsy maintsy natao izay nadrombahana ny fandresena tamin’ny fomba rehetra. Samy mba te hanandratra avo ny zava-bitany sy ny firenena niaviny ihany koa. Iza tokoa ny olompirenena ka manam-panahy no tsy hiady ho an’ny tanindrazany ? Nabaribarin’ny atleta sy ireo […]

Tsy mahay tsy…

“Tsy mahay tsy” no niavian’ny hoe “tsy maintsy”, ilazana toe-javatra tsy azo ihodivirana, tsy azo lavina. Amin’izao fifidianana izao, misy ny mpirotsa-kofidina mitompo teny fantatra fa tsy maintsy voafidy, hono. Tsy mahay tsy voafidy izany, na tsy mahay resy. Nefa tokony hahay resy amin’ny latsa-baton’ny olompirenena izay mirotsa-kofidina. Na toy […]

Tsara fiafara

  Hifarana rahampitso ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, atao eto Madagasikara. Nizotra tamim-pilaminana izany tamin’ny ankapobeny. Samy afa-po ny ankamaroan’ny mpandray anjara, indrindra ny vahiny. Marina fa tsy misy ny tonga lafatra, misy ny indro kely saingy tsy nahasakana ny lalao izany. Azo lazaina fa tsara fiafara ny zava-drehetra na […]