Indraimbava

Kapa-ranjo

  Ambiansy re izao ! fahafinaretana sy hafalina tsy nisy ohatr’izany ny an’ny vahoaka malagasy, omaly, teny Maha­masina. Niady ny lalao baolina kitra teo amin’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Comores. Nafana ara-bakiteny satria tsy nisy ankitsitsitsitsy izany. An-kamely sy kapakapa ranjo no nandravaka ny baolina enina, fitambaran’ny matin’ny ekipa […]

Doka miabo

  Raha mijery ny zava-misy eto Madagasikara isika, toa tsy misy raha manjary izany. Sahala amin’ny hoe dia mainty avokoa izay jerena. Mena mampatahotra daholo ny famantarana eny amin’ny fiarahamonina. Mahakivy sy mahavery fanahy mbola velona ny fizotry ny raharaham-pirenena. Tsy ampy intsony ny teny hilazana ny faharefoana amin’ny lafiny […]

Valalabe mandry

  Somary mangingina ny tontolo politika. Takon’ny lalaon’ny Nosy. Misoko miadana nefa ny dinika karaka­rain’ny raiamandreny am-panahy, mitady ny fomba hila­minan’ny firenena. Mandeha tsikelikely koa ny kajikajy any ambadiky ny lampihazo. Ny tompom-pahefana, mitety faritra. Ny mpifaninana efa samy misomebiseby any amin’ ny misy azy any avokoa. Tsy misy mampikoropaka […]

Toko tapaka…

  Dimy andro aty aorian’ny loza mahatsiravina nitranga teny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ka nahafatesan’olona am-polony sy naharatrana olona an-jatony, misokatra ny fanadihadiana. Efa nisinda tsikelikely izay ny alahelo sy nisava ny hatezerana. Niara-nahita ny fifanomezan-tsiny. Mipoitra tsikelikely ny fifanilihana andraikitra. Tonga hatrany amin’ny fanononana anarana minisitra manokana aza ny an’ny […]

Madinika mandinika

  Ao anatin’ny fifidianana tanteraka izao; eny, na eo aza ny tsikera etsy sy eroa, na fanaratsiana, fanakiviana. Toy ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy io? Tsy miandry ny tsy afaka na tsy te handeha. Amin’izao, eo hatrany ny fampitahorana ny mety hisian’ny korontana politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. […]