Indraimbava

Ho raikitra amin’izay!

  Izay vao mazava ny lalan-komban’ilay firenena mala­gasy! Hivoaka ny volabe hoentina manatanteraka ny fifidianana. Miandry ny datin’andro fiantsoana ny mpifidy ny rehetra dia raikitra ny lalao. Mahatratra 2 tapitrisa Euros ny mety homen’ny Frantsay sy ny Vondrona eoropeanina. Mazava be rehefa mipotsaka ny mpiara-miombon’antoka, tsy misy intsony ny mpilalao […]

Tsy misy mpiahy

  Mila tsy ho zakan’ny aina intsony ny hatsiaka iainana eto an-drenivohitra sy ny renivohi-paritra maro eto Madagasikara. Tsy hoe ririnin-dasa tsy tsaroana akory, fa ren’ny aina ilay hirifiry entiny. Mahazo vahana ny aretina isan-karazany noho ny faharefoan’ny hery fiarovana. Lasibatra sy mahita faisana ny zaza sy ny zokiolona. Na izany […]

Mbola voageja

  Mihamazava tsikelikely ny raharaham-pirenena. Mibaribary fa mbola baikoin’ny mpiara-miasa vahiny i Madagasikara. Tsy afa-miala amin’ny vahohon’ny mpanohana teknika sy ara-bola. Tsy maintsy hisy ny fifidianana, araka ny tetiandro navoakan’ny vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana ireny. Efa misy ny ampaham-bola nentina niasa. Manom­boka hivoaka ihany koa ny famatsiana avy […]

Mahafanina, mahavalalanina

  Raha atao safobemantsina, mahamay ny tanàna. Misy otrikafo tsy mbola mirehitra any ambadibadika any. May ara-bakiteny ny eny an-tanàna, na mbola anaty delestazy aza. Mahazo vahana ny hain-trano mitarika fahafatesana, na ny loza maha may olombelona. Matetika voina tsy ampoizina nateraky ny tsy fitandremana izany. Tao anatin’ny tapa-bolana, firy […]

Zava-mahadomelina

  Anisan’ny imasoan’ny fitondrana amin’izao ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Izay rehetra mampiankin-doha no mahadomelina? Mahatonga ny olona iray tsy mandeha amin’ny sitrapony, tsy mahaleo na mahafehy tena… Mety mahadomelina, ohatra, ny fiankinan-doha tafahoatra amin’ny telefaonina, faniriana… Ny saina sy ny maha izy azy ny tena no vonto sy donto. Misy […]