Indraimbava

Mahavalalanina !

Mbola manjavozavo tanteraka ny resaka fifidianana izay ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, hatramin’izao fotoana izao. Tsy hay mazava ny tena tian’ireto mpanao politika hahatongavana. Marina, efa mandeha ny fitetezam-paritra etsy sy eroa. Misy ny kivorivory avy amin’ny ankolafin-kery isan-karazany, saingy mbola tsy mamaha ny firoaroavan-tsaina misy eo amin’ny vahoaka malagasy izany. […]

Kivy Ramalagasy !

Mampihoron-koditra ny zava-nisy tany Ambilobe, nahafa­tesana olona marobe noho ny sambo rendrika. Nanantena fiai­nana tsaratsara kokoa, kanefa nivadika ho nofy ratsy sy fahafatesana. Hatramin’ny omaly, tsy fantatra mazava ny isan’ny olona niondrana satria ankoatra ny namoy ny ainy voaisa sy ny velona, mbola mahita razana hafa miisa 11 be izao […]

Mifampiana-dratsy !

Efa eny an-kianja ny mpilalao rehetra raha resaka fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika no asian-teny. Samy efa manovokovoka amin’ny hetsika isan-karazany sy ny famoriam-bahoaka ny manana hoenti-manana amin’izany. Andaniny ny loko mavo, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, ankilany ny loko volomboasary, miaraka amin’ny filoha am-perinasa Rajoelina Andry. Ankoatra ireo, tsy azo […]

Tany misy fanjakana… tan-dalàna

Tato ho ato, mirongatra be ny fanafihan-jiolahy, fakana an-keriny, vono olona… Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaisaina. Ny mahavalalanina sy mahafanina: sanatria, toa mitady hanomboka tsy taitra firy intsony ny sasany mandre sy mahalala izany. Mitady hahazo vahana ny kolontsaina filalaovana aina? Efa izany eo amin’ny mpanao ratsy, matoa mandeha ho […]

Lapan’ny fitsarana « facebook »

Tena mahavariana isika Malagasy ireto ! mampiteny ny moana ny zava-misy eny amin’ny tambajotran-tserasera. Zary misolo vaika ny fitsarana sy ny mpitsara ny mpampiasa azy. Raha ny zava-nisy omaly, tena mahatonga saina. Hatreny amin’ny tonto­lon’ny fampianarana ambony no voafandrika. Zary nifani­lika andraikitra imasom-bahoaka ny samy tomponandraikitra. Niezaka nanadio tena sy nitady ny […]