Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia maro ny ezaka ataon’ny mpitondra fanjakana ho an’ny sosialim-bahoaka. Tsy maharaka ny filan’ny mponina anefa ny tolotra homena, indrindra betsaka ny zary vonjitavanandro fotsiny. Natao hamonjena ny hamehana, hany ka tsy mahavaha ny tena marary. Tsara ny ezaka fa mbola misimisy ny […]
Indraimbava
Mila manova fomba fisaina
Hita iny ny vahaolana avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Nasehony hatrany amin’ny fizaran-drano ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Miezaka ny miatrika ny hamehana arakaraka ny hodidina izy. Ny rano manakaiky vahoaka, fa tsy ny vahoaka intsony no handahatra bidon mavo. Mibaribary ny finiavany hitondra vahaolana, tsy hiandrasana ny hafa. Manoloana izany, mba […]
Miandry fahagagana
Nanaitra sy nahavelombelo ny filazan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, fa anio dia anio no hisy vahaolana entiny ho an’ny jiro sy rano eto Antananarivo. Iza no tsy ho faly raha nahare izany ? Efa ho lava sy mankaleo tanteraka ny zava-misy iainana. Tena hoe fatiantoka tsy fantiantoka amin’ny seha-pihariana […]
Eo ny vahoaka hitsara
Nivoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandidà. Miroso ny fifidianana kaominaly: manakaiky vahoaka, miantoka ny fampandrosoana ifotony… Mby aiza? Na mba tena izay no mampihazakazaka… Laingalainga, tsy ilaozan’izay misy mahabe resaka etsy sy eroa. Nahoana? Politika no tena manetsika sy manesika ny sasany, fa tsy izay fampandrosoana loatra. Mbola ho azo […]
Mialà amin’ny mahazatra!
Mila tonga saina Ra-Malagasy! Fa tsy ho vitavita mora ity olan’ny sosialy ity. Tena difotry ny fahantrana ny mponina. Tsy misy intsony ny kilasy antonony izay tokony ho mpampihodina ny ankamaroan’ny seha-pihariana. Andaniny ny mpanefoefo, mpanontany ny ory. Ankilany ny fadiranovana resin’ny fiainana. Tsy misy afaka ny hilaza ny […]