Zava-doza ny manjo an’ilay Madagasikara, indrindra ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Ny Jirama hatrany no mahazo loza kanefa ilay natiora mihitsy no efa mitokona. Azo lazaina fa manafay ny zanak’olombelona ny “Mpahary” sy ny zavaboahary. Raha mbola nirehareha, tsy nianjadian’ny tsy fahampian-drano ireo tsy mampiasa paompy dia efa […]
Indraimbava
Grefy sadasada
Mitohy ny fiainana! Tsy mahasakana ny andavanandron-dRamalagasy tsy handroso izay jiro sy rano tapaka. “Mandeha ny mandeha”, hoy ny fitenin-jatovo tsy mivaky loha tanteraka amin’izay miseho. Mijonjorombona avokoa sisa ny fomba fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Tsy misy tanjona fa rehefa voky ny kibo dia ampy izay. Rehefa midaboka ny […]
Avo lenta
Nivoaka ny voka-pifidianana any Etazonia. Niverina amin’ny toerany ny filoha teo aloha Donald Trump. Hanao ahoana ny ho fiantraikan’izay amin’ny jeopolitika maneran-tany? Iaraha-mahalala fa anisan’ny tsy nankasitraka ny adilahy miseho etsy sy eroa ny tenany. Nilaza moa izy tamin’ny fampielezan-kevitra nataony fa 24 ora monja aorian’ny fahalaniany dia hitsahatra […]
Miady irery
Tsy hay intsony ny hamaritana ny hoavin’ilay firenena. Sahirana, hita ho miady irery ny filohan’ny Repoblika. Izy daholo no manenjika an’i Babay sy Lohavohitra. Hany olon-tokana mihazakazaka etsy sy eroa mitady izay hivoahana amin’ny kirizy sosialy mianjady ankehitriny. Tsy afa-miala rahateo tamin’ny lokaloka maro isan-karazany, nandritra ny fampielezan-kevitra. Lehilahy […]
Voan’ny be manaiky
Manahirana ny miteny fa maro ny “raha” hita eto Madagasikara eto. Firenena voalaza fa mpandala fihavanana saingy itoeran’ny mpiantsaravelatsihy. Tsy misy toerana ho an’ny olo-marina sy mandeha mahitsy. Izay fetsifetsy sy mahay mivarotra am-pitsanganana no tompon’ny tanàna. Zary mivadika tanteraka ny rasa. Izay vandavandana no toa volamena, fa […]