kolon-tsaina

« America’s next top hit maker » 2025 : Tafakatra amin’ny manasa-dalana i Mikahely

50 000 isa ireo mpanakanto nifaninanana maneran-tany. Miditra amin’ny dingana ma­nasa-dalana amin’izao fotoana ilay fifaninanana « America’s Next Top Hit Maker 2025», any Etazonia. Anisan’ireo mpanakanto voafantina handray an­jara i Mikahely (Mika sy Davis), ary izy irery ihany no Mala­gasy ao. Tafavoaka ny dingana ampahefa-dalana izy ny faran’ ny herinandro teo, […]

25 taona ny Avoko Production : Hamoaka sarimihetsika matihanina « Ainga Shot »

Hosokafana amin’ity taona ity ny faha-25 taona niorenan’ny trano mpamokatra sarimihetsika Avoko Production, eo ambany fitantanan’ny Grand Maître Rakotoarijaona Avoko. Raha ny tokony ho izy, ny taona 2026 vao tena feno ny 25 taona, saingy hatomboka dieny izao ny fankalazana, araka ny namba­ran’ny filoha Tale jeneraly. Famokarana sarimihetsika matihanina mitondra […]

TARATRY ny KANTO

La Teinturerie Ampasanimalo, nanan-karena zavakanto ny faran’ny herinandro. Vao nigadona ny zoma hariva teo, efa nafana ny toerana, nandritra ny fampisehoana notontosain’ny tarika Driwna. Notohizana tamin’ny fiverenan’i Môta Soa an-tsehatra izany ny sa­botsy alina. Niova kely, satria fampisehoana dihy “Open Mind Battle” kosa ny alahady, niarahana tamin’ny Jack’ Dad. Tetsy […]

“Tafan-gilita” – Prime 2 : Mihamafy ny fifaninanana, 25 no tafakatra

Kely dia kely ny elanelan’isa teo amin’ireo mpifaninana. Hita ho sahirana ihany ireo mpitsara ilay fifaninanana “Tafan-gilita”, nandritra ny dingana faharoa na ny Prime 2, ny asabotsy maraina teo, teny amin’ny Tanàna Zoari Ilafy. Nandalo tsirairay teo anoloan’i Mbola Talenta, Tojo Guitaris­te, Teddy ary i Jovin ireo mpifaninana 40, samy […]

“Mega Live Yas”: Nanapoaka ny team Rwikordz

Maro ireo mpanakanto nalahatra, saingy nisongadina kokoa ireo taizan’i Davalt Rwikordz… Samy nahatsapa izany ireo mpijery tonga nanatrika ny “Mega Live Yas”, izay notontosaina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny alin’ny zoma teo. Avy hatrany dia i Parish no nanokatra ny fampisehoana, niaraka tamin’ireo hirany hain’ny mpijery rehetra. Na­naraka avy […]