Kolontsaina sy soatoavina afaka voizina ho fiarovana sy fampiroboroboana ny demokrasia ny Hip-Hop. Izay no ezahina havoitra anatin’ny hetsika “Repoblika”, ny zoma izao. “Ny Hip-Hop no hanavotra ny demokrasia?”. Anisan’ny lohahevitry ny loabary an-dasy anatin’ilay hetsika “Repoblika: ho an’ny fanabeazana sy ny fahalalana”io. Hotontosaina ny zoma 10 mey izao izy […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Nampivondronana ireo mpandihy rehetra ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy, tetsy Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Nanodidina ny 250 isa ny mpandihy nanafana izany. Nahazo vahana kokoa ny dihy malagasy, hampiroboroboina ny kolontsaina sy ny soatoavina. Nosokafana tamin’ny seho nanomezana vahany ny dihy malagasy tao amin’ny kianjan’ny […]
Urban Vibes, andiany faharoa : nampiala voly ny tanora teto an-dRenivohitra
Voasarika sy liana tamin’ ny seho Urban vibes, andiany faharoa, tetsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena, omaly, ny ankamaroan’ny tanora teto an-drenivohitra. “Tratra ny tanjona, tonga maro ny tanora nanatrika sy namaly ny antso”, hoy Rasamison Henintsoa, mpikarakara sady mpamorona ny Urban Vibes. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po sy hankafizan’ny maro ny […]
« Diavolana » : niombon’ezaka ny Choeur Miangaly
Antoko mpihira tsy miankina amin’ny finoana na fivavahana mandia ny faha-10 taonany. Nanatanteraka fampisehoana an-tsehatra « Diavolana », tao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny faran’ny herinandro teo, ny Choeur Miangaly. Tsikaritra, nandritra ity seho ity, fa namondrona ny ezaka nataony ny tsirairay ka nahatontosana izany. Samy naneho ny fahaizany […]
Crimad : mirakitra tantara velona ny sary an-gazety
Tontosaina etsy Andavamamba, ao amin’ny Alliance française Antananarivo ny fampirantiana sary an-gazety. Hetsika maneho ny lanjan’io karazan-tsary iray io eo amin’ny fiarahamonina. Manatanteraka fampirantiana ao amin’ny Alliance française Antananarivo (AFT) Andavamamba ny Fikambanan’ny mpaka sary an-gazety eto Madagasikara (Crimad). Ranty mampiseho ny lanjan’ny sary an-gazety eo amin’ny fiarahamonina. « Amin’ny ankapobeny, […]