kolon-tsaina

Hosodoko, sary, sokitra… : manan-talenta saingy tsy ampy fiofanana ireo ankizy

Maro ny liana. Tsy tapaka olona mihitsy ny toerana natokana ho an’ny hosodoko, sary, sokitra, sns, nandritra ny “Tokotany be” tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, ny faran’ny herinandro teo. Tsapa nandritra izany fa tena maro ireo ankizy manan-talenta ary te hitrandraka bebe kokoa izany. Nisy ireo fampiofanana kely […]

Tetikasa Kanto manabe : maneho ny asa tanany ireo mpianatry ny sekolim-panjakana

Maro ny manana talenta sy fahaiza-manao eny anivon’ireny sekoly ireny, saingy tsy misy ny sehatra ahafahan’izy ireo maneho izany. Ny mpiangaly sy mpankafy sary aloha no nahazo sehatra mandritra ity tetikasa Kanto manabe ity. Mbola hiitatra kosa ny tetikasa, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Ana­la­kely, hatramin’ny 4 […]

Hira evanjelika : nanjakan’ny fitiavana ny « Hiaka Fiderana 2»

Feno ny Lapan’ny Fana­tan­jahantena sy ny Kolon­tsaina Imahamasina. Fam­pisehoana nanjakan’ny fitia­vana ny « Hiaka Fiderana » andiany faharoa. Fitiavana an’Andriamanitra, fitiavana ny tanindrazana, fitiavana sy fanampiana ny mpiara-belona, fitiavana ny mpiray tanindra­zana, fitiavana sy firaisam-po amin’i Kristy, sns. Ireo hira fiderana anisan’ ny maro mpitia rahateo no nentin’ireo antoko mpihira na tarika […]

TARATRY ny KANTO

Miroborobo fatratra ny kabary! Anisan’ny tsikera mivaivay mahazo ity zavakanto sy kolontsaina malagasy ity ny toeran’ny vehivavy manoloana ny fahafahana mika­bary. Tahaka izany koa ny fahalalahana iainan’ny kabary sy ny mpikabary ankehitriny. Fahiny, ny lehilahy efa mipi-bolo no mikabary. Ankehitriny, ireo tanora vao erotrerony no manao « mpitovo mananatra ny manana ». […]

« Gasikarako » : hiaka-tsehatra ry Telofangady

Rehefa ela niandrasana ny mpitia sy mpankafy… Raikitra fa hanolotra seho kanto ho an’ny rehetra ny tarika Telofan­gady. « Gasikarako », hotanterahina ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny alahady 7 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hampiavaka ity fampisehoana an-tsehatra ity, araka ny fanazavan’izy 5 mirahalahy, fa : « hiran’ny tarika tsy misy fangarony » […]