Tranga iray anisan’ny mahavariana eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy. Manana mpamoron-kira maro i Madagasikara. Saingy, sahirana vao mahasarika mpihaino ny kalon’Imerina iray, raha amin’izao vanim-potoana izao. Na ireo heverina fa mpanakanto sangany aza, manontany tena. Tsy tian’ny mpijery fampisehoana, loatra, ny hira vaovao raha oharina amin’ireo voaforona teo aloha. Ireo […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Nanolotra boky ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny AFT Andavamamba. Boky miisa 64, ahitana tantara foronina ho an’ny tanora ireo, ka anisan’ireny ny sanganasan’i Julien Rakotonaivo, “Echos et murmures du temps jadis”. Tafiditra anatin’ny fampitiavana ny vakiboky ho an’ny tanora, izay anisan’ny sehatrasan’ny AFT izao fanomezana boky izao. […]
“Io ary nen’lah” : Hoentin’i Ken an-tsehatra ny rakikirany voalohany
Masaka ny nahandro: “Io ary nen’lah”, hatolotr’i Ken ho an’ireo niandry izany. Rakikira voalohany izy ity, izay nampahafantarina voalohany ihany koa omaly, tetsy Ankorondrano. “Efa ela no niketrehanay azy ity. Efa ireny napetrako ireny ny maha Ken izay tsy miova mihitsy. Rock foana koa no lalaovina, saingy mampivady gadona izahay […]
Saripika : Mampanahy ny tantara apetrany
Mahasondriana, mahavariana… « Azo hamantaran-javatra maro ny saripika », hoy ny mpahay tantara. Saingy, efa tonga saba-droa lela io fandinihana io ankehitriny. Maro loatra ny fanovana atao amin’ireny saripika ireny. Na, ho an’ny taloha, indrindra ho an’ireo saripika nalaina amin’izao vanim-potoana izao, saika nasiam-panovana! Mampanahy ny tantara hapetraky ny saripika, atsy ho […]
Fiarahamonina malagasy: … Ho resim-bavy ny lehilahy ?
Hanamarika tsy ho ela ny « Fetin’ny reny » i Madagasikara. Fomba vahiny, saingy, efa zary fahazarana ho an’ny Malagasy ny mankalaza izany. Manahirana manoloana ny lamina voajanahary, anefa, ny fiantraikany. Fatra-panaja ny lamina voajanahary ny Malagasy. Iray amin’ireny ny hasina ananan’ny vehivavy ao anatin’ny fiarahamonina. Mifanindran-dalana amin’ny vehivavy na ny vavy […]




