Tontosa, omaly, tetsy Antsahamanitra, ny fampisehoana niarahana tamin-dry Samoela sy Raboussa ary Krutambull. Feno tanteraka ny toerana, tonga maro namaly ny antso ireo mpankafy, lahy sy vavy. Ireo olona teraka tamin’ny taona 80 no tena mpankafy tamin’ny ankapobeny. Nanakoako teny amin’ny manodidina ny feon’ny mpankafy tetsy Antsahamanitra. Tsy nitsahatra ny […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
“Tokotany be”, hifarana anio. Vakodrazana nataon-dry Rakoto Frah Junior sy seho nataon’i L Jo no namarana ny andro faharoa, omaly. Hiompana amin’ny literatiora sy ny boky kosa ireo atrikasa hifandimby, amin’ny andro farany, anio. Hamarana ny fotoana amin’ity hetsika hanasongadinana ny indostrian’ny kolontsaina ity kosa ny seho hataon’ i Njara […]
Rock: hisehatra ao Antsahamanitra ny tarika Kiaka
Niorina ny taona 1986 ny tarika Kiaka. Anisan’ny tarika sangany eo amin’ny lafiny mozika rock sy mavesatra. Hifamotoana amin’ny mpankafy azy ny tarika amin’ny alahady 5 mey ho avy izao, amin’ny 2 ora sy sasany. Mpanohana mivantana ny hetsika ny Airtel Madagasikara. Tsy ataon’ity orinasa ity ambanin-javatra ny lafiny kolontsaina, […]
Seho fifanakalozana : hiaka-tsehatra ny Jazz Club CGM
Rahampitso 21 avrily, alahady fahatelo amin’ity volana ity. Efa zary mahazatra ny Jazz Club CGM sy ny mpitia jazz ny mihaona ao amin’ny efitrano malalaky ny CGM/GZ Analakely. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana eny an-tsehatra. Ivondronan’ireo mpilalao jazz efa zoky sy ny tanora ary ny ankizy taninketsa ny […]
Profesora Rafolo: “Tokony hatao harembako-pirenena ny Rovan’Antongona”
Anisan’ireo vakoka tafiditra ho anisan’ny toerana miavaka sy zava-naorina ny Rovan’Antongona. Nisy ny fitsidihana teny an-toerana, nanasongadinana azy indray. 18 avrily, Andro maneran-tany ho an’ny toerana miavaka sy zava-naorina. Noho ny antony manokana, omaly 19 avrily vao nanamarika izany ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. “Toerana miavaka sy zava-naorina, vonona […]