Mandalo eto Madagasikara ny tarika Exo. Seho faharoa notontosainy ny tetsy Antsahamanitra, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny ankapobeny, rakotra fihetseham-po ity fampisehoana «Ho tonga anie ny fanjakanao ity». Na, ireo teny an-tsehatra (mpitendry zavamaneno, mpihira, mpandihy). Na, ny mpijery tonga maro teny an-toerana. Samy nanjakan’io fihetseham-po io avokoa. Tao ireo […]
kolon-tsaina
Tarika Kiaka sy Iraimbilanja : Nisongadina be ny fananana traikefa
Nahitana fampisehoana an-tsehatra ankalamanjana indray ny faran’ny herinandro teo. Samy nanana ny mpijeriny. Noho ny traikefa ananan’ny tarika tsirairay, anisan’ny niavaka ny tetsy Antsahamanitra. 30 taona aty aoriana… Notanterahina tao Antsahamanitra, omaly tolakandro, ilay seho lehibe «Mozik’Iray» iarahana amin’ny tarika Kiaka sy ny tarika Iraimbilanja. Tamin’ny 3 ora marina, nanomboka […]
TARATRY ny KANTO
“Festival Tsika Jiaby”, anio ny fotoana. Hanomboka amin’ny 10 ora ny hetsika rehetra etsy amin’ny Kianja Barea. Haharitra ora maro ny fampisehoana goavana, izay hataon’i Samoëla, Tanjona Randrianarivelo ary Mage 4. Mialoha izany, ireo mpanakanto vao misondrotra toa an-dry Arangita, Splash Ryzen, Hell’s Rush ary Dee Hamishi no hiaka-tsehatra. Mbola […]
Sehatra Bagasy : Hizara traikefa marolafy i Fidimalala
Hiavaka ny Sehatra Bagasy volana mey. Hizara traikefa marolafy i Fidimalala. Anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. « Fidimalala 97 taona. Hihira, hitendry gitara, hitantara ny fiarahany tamin’i Barijaona sy O’Suza ary Ranaivo-Ranarivelo tany an-dafin’ny riaka », hoy […]
“Fitia mifamaly” : Tarika maro no hiray sehatra
Hetsika iray hanehoana ny firaisankina izy ity. Ho fanampiana ny namany iray anaty fitsaboana, hanatontosa ny “Fitia mifamaly” ireo tarika sy mpanakanto maromaro, rahampitso, eny amin’ny La Cabane Andavamamba, manomboka amin’ny 4 ora. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ny tarika Filah, Boboh Mahavanona, Nida, ny Tarika Zovy, Tarika Miandry ary Tarika […]




