Tanterahina, rahampitso, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ao anatin’ny hetsika «Café-histoire», ny fandefasana ny sarimihetsika «Tabataba», notontosain’i Raymond Rajaonarivelo. Hisy ihany koa ny tafa sy dinika iarahana amin’ity mpanatontosa ity. Nandravaka ny IFM Analakely, omaly, ny sarimihetsika «Dounia et la Princesse d’Alep» sy ny «Les inséparables», tao anatin’ny […]
kolon-tsaina
« Fiainana sy Fiadanana » : “Antsa Paska” hataon’ny Chorale Orimbato
Alahady 31 marsa amin’ny 3 ora sy sasany ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanatanteraka ny “Antsa Paska 2024” nampitondraina ny lohateny «Fiainana sy fiadanana» ny Chorale Orimbato. Hampahatsiahy an-kira izay nizoran’i Kristy ho famonjena ny zanakolombelona, izy ireo. Fiaraha- miasa eo amin’ity antoko mpihira ity sy ny komitin’ny EWS Foibe […]
RIBD 2024 : nizara ny traikefany i Catmouse
Tanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny 30 marsa 2024, any Bénin, ny «Rencontre Internationale de la Bande Dessinée» (RIBD) andiany faharoa. Anisan’ny nahazo fanasana manokana miatrika izany Rajemison Dinah, na i Catmouse, Malagasy mpiangaly tantara an-tsary. Nitarika ny valandresaka niresahana ny lohahevitra hoe “Imaginaires linguistiques et francophonie dans le bande dessinée en […]
Teatra malagasy : velona sy miaina na anisan’ ny haikanto tranainy aza
Anisan’ny literatiora am-bava tranainy ny teatra. Maro ny dingana nolalovany raha ny teto Madagasikara manokana. Amin’izao fotoana izao, mihamaro ireo tanora liana amin’ny filalaovana sy fankafizana azy. Tontosa omaly, teny amin’ ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny “Fanokafana ny taona teatraly”, niarahana tamin’ny Fanilon’ny Teatra Malagasy, avy ao amin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Hotontosaina, anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fampiofanana dihy « Perfect Your Dance ». I Axelle sy i Orlane, mpandihy manana ny maha izy azy no hizara ny traikefany mandritra izany. Hetsika iarahan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena miasa amin’ny federasiona malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena. Hotanterahina any Algérie, ny 15 […]