kolon-tsaina

Ady amin’ny herisetra an-tsekoly : naseho voalohany ny sarimihetsika “Le carnet”

Naseho omaly, tetsy Anosy, ireo fitaovana avy amin’ny fikambanana Imaso Ivoho Madagasikara. Izay enti-manentana ny mpisehatra rehetra eny anivon’ny sekoly, manoloana ny herisetra. Anisan’ny naseho teny an-toerana ihany koa ny horonantsary “le carnet”, notontosain-dRasoanaivo Anjama­malala, mpanatontosa. Entina hanehoana ireo karazana herisetra an-tsekoly amin’ny endriny maro sy ny fiampitan’izany amin’ny fidorohana […]

Harembakoka any Taolagnaro: hatsaraina hisintona mpizahatany ny Pic St Louis

Tontosa ny fifanaovan-tsonia fifanarahana. Havaozina mba hisarika mpizahatany bebe kokoa ny Pic Saint Louis, harembako-pirenena mampiavaka ny faritra Anôsy. Ny kolontsaina no fanoitra ho an’ny fampandrosoana. Voamarina izany rehefa misy tetikasa mipaka eny ifotony, mitondra fivoarana ho an’ny mponina sy ny fiarahamonina. Anisan’ireny ny fa­navaozana izay entina ao amin’ ny […]

FILOHAN’ny Mpihiragasy: Ranaivonantenaina Tojo

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, ny fifidianana ny filohan’ny federasion’ny Mpihi­ra­gasy eto Madagasikara. Miisa 5 ireo nofidina: Ranai­vonantenaina Tojo ­(Am­ba­tonapoaka), Ratovoelison Jean Baptiste (Arivonimamo), Rabemanantsoa Valomanana (Fenoarivo), Florent Ran­driamarolafy (Manalalondo) ary Ramanankarivo Jean José (Sahondrafinina zanany). 109 ny mpifidy voasoratra anarana ka ny 107 tamin’ireo no tonga nandatsa-bato. Lany […]

Hiragasy goavambe – Vakisehatra 2024: hifanandrina ry Ratelson sy Rapaulson

Hisantarana ny fandaharam-potoanan’ny « Hiragasy goavambe » 2024. Ny alahady 3 marsa izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Hifanandrina ny tarika mpihiragasy Ratelson avy any Andohavary sy Ra­paulson avy any Mandiavato. « Vakisehatra 2024 », anisan’ ny andrasan’ny olona maro, satria, tarika roa samy manana traikefa matanjaka eo amin’ny […]

Tsy fomba ny mandidy dia homana: mila omena lanja ny dinika amorom-patana

Manana ny avara-pianarana ny Malagasy. Tsy vitsy ihany koa ireo raiamandreny zokim-pahendrena… Nikaroka, nandalina, manana traikefa, mahafantatra ny mahasoa sy ny manimba. Hatramin’izao, tsy tazana loatra ny vokatra tsara azo avy amin’ireo rehetra ireo. Inona ny zava-misy marina ? Tao anatin’ny taona maro, potika ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Samy […]