kolon-tsaina

Profesora Ranaivoson Jeannot Fils : « Mampandroso ny firenena ny fampiasana ny teny »

« Raha hitady asa, tsy ny teny malagasy no hitsapana ny fahaizan’ny olona iray nefa io no teny hain’ny olon-drehetra. Raha ny teny malagasy ihany no hay dia toy ny olona tsy mahay na inona na inona », hoy ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Anta­na­narivo, ny profesora Ranai­voson Jeannot Fils, momba […]

TARATRY ny KANTO

Notolorana mari-pankasitrahana manokana i Darya Poleschuk. Mpitendry piano rosianina, tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny traikefany tamin’ireo mpampianatra sy mpianatry ny Akademiam-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac izy. Manan-talenta, indrindra amin’ny mozika klasika ity mpanakanto ity, ka hanampy amin’ny fivelaran’ireo mpanakanto mpianatra eto Madagasikara aoriana kely […]

Académie Arts-Sciences-Lettres- France : Nahazo ny medaly volamena i Ilo Rakoto

Misongadina amin’ny maro. Nahazo ny mari-pankasitrahana fara tampony noho ny filofosany amin’ny mozika i Ilo Rakoto, mpiangaly piano, teratany malagasy. Nandingana tsikelikely ny zana-tohatra rehetra. Vaovao lehibe, kanefa tsy nahagaga ihany koa satria tena mendrika ho an’i Ilo Rakoto ny nahazoany ny medaly volamena avy amin’ny Académie Arts-Sciences-Lettres any France. […]

« Bapampa Be Tour » : Tohizan’ny tarika Rossy any Maurice

Nigadona atsy amin’ny Nosy Maurice ny tarika Rossy. Ny mpikambana iray manontolo mihitsy no hanatontosa ny seho izay tafiditra anatin’ny « Bapampa Be Tour 2026 ». « Hafake­ly ny fandraisana anay, porofo sahady ny fahamatoran’ny fikarakarana. Efa ela no te hihaona amin’ireo mpankafy sy mpiray tanindrazana aty amin’ireto Nosy Rahavavy ireto ka raikitra […]