Rehefa mety ho sokajin-javakanto, hanentanana ireo mpanantalenta avokoa. Izay endrika fiarahana izay rahateo no lalantsaina voizin’ny “Festival Miaraka”… Hetsika hoan’ny forona maroloko, fanao isaky ny roa taona izy ity. Hotontosaina ny 3 hatramin’ ny 8 avrily ho avy izao ny andiany fahatelo amin’ny “Festival Miaraka”. Efa nanomboka ny fiantsoana ireo […]
kolon-tsaina
Literatiora: Ezaka ny fampodin-kasina ny teny malagasy
Tontosaina anio, eny amin’ ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny velan-kevitra “Ny fombam-pitenenena malagasy”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Famoloana Telozoro, “Tanjona amin’izao ny hanokatra sehatra ifanakalozam-pahalalana mikasika ny kolontsaina sy ny literatiora ary ny teny malagasy eo amin’ ny samy mpanoratra sy izay liana amin’izany.” hoy i Sitraka Feno Tanteraka, izy izay hitondra […]
“Ho nofy ihany” : efa fantatra ny datin’ny fampirantiana
Taorian’ny fotoana lava niandrasana, fantatra fa amin’ ny volana Avrily 2023 no hanatanterahan-dRandrianarivelo Mahefa Dimbiniaina ny fampirantiany, eny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely. Izy izay mpaka sary mpandresin’ny “Prix Paritana 2022”, tamin’ ny alalan’ny tetikasany “Ho nofy ihany”. Mbola any Frantsa, avy namita fampirantiana moa ity mpandresin’ny […]
Sehatra bagasy : hanatanteraka atrikefa i Fidimalala
Mpanakanto malagasy zokiny indrindra sady mihira no mitendry gitara. Ny asabotsy 4 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Ivokolo IKM Antsahavola, hanatanteraka atrikefa bagasy i Fidimalala. Lohahevitra amin’ity hetsika karakarain’ny Sehatra bagasy ity ny hoe : « Ny dian’ny mpanakanto malagasy nitondra ny bagasy tany an-dafy (1950-1960) : Ranaivo-Ranarivelo, […]
“RDJ Mozika”: ny sanganasany no hifidianana ireo mpanakanto
Hankasitrahana amin’ny asa vitany ny mpanakanto sy ireo miasa manodidina izany. Amporisihina hanolotra ny tsara kokoa hatrany, satria izay no tanjona amin’ny “RDJ Mozika”. Efa samy miandry fatratra ireo mpanakanto! Fotoana iray hitsaran’ ny mpankafy, fa hahafahan’ny mpanakanto manao tomban’ ezaky ny zava-bitany nandritra ny taona nivalona ihany koa ny […]