Mbola tsy afa-tsaona tamin’ny nahalasanan’i Delacre akory… Lasa omaly indray i Andry Balafomanga, anisan’ireo andrin’ny rock’n Roll teto Madagasikara. Toy ny vara-datsaka ny vaovao omaly! Nodimandry i Andry Balafomanga… “Vao maraimbe no tsy salama tampoka izy ka nentina hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy tonga tany”, hoy ny nampitain’ny fianakavian-dRakotozandry […]
kolon-tsaina
Edouard Rajaona: 50 taona teo amin’ny sehatry ny kanto
Tanterahina ny 10 febroary 2024 hatramin’ny 24 febroary 2024, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fampirantiana «Edouard Rajaona, 50 ans de peinture». Fampirantiana ahitana ny hosodokon’i Edouard Rajaona, anisan’ny oloben’ny hosodoko malagasy. Natao izany ho fanomezam-boninahitra ity Malagasy mpanao hosodoko ity sy ho fankalazana ny faha-50 taona niseharany […]
“Tamberina sy tsiahy”: hisy seho hahatsiarovana an-dRailôla
Nahafantarana azy hatramin’ny fotoana nandehanany ny “Tsiaro an’i Jerôme Randria”… Anjaran-dRailôla indray izao no hanokanan’ny zanany sy ireo indray nihira taminy fotoana manokana. Hotontosaina ny alahady 3 marsa izao, etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny fahatsiarovana an-tsehatra an’ity mpanakanto ity. “Tamberina sy tsiahy”, toy ny anaran’ireo […]
Ny maha Malagasy: mila maka fototra vao mandroso
Raha ny filaharana navoakan’ny sehatra iraisam-pirenena, tsy ahatazanana loatra izany atao hoe « fandrosoana » izany ny sehatra tsirairay eto Madagasikara. Osa, malemy, marefo, farany, gisitra… Hisokajiana ity Nosy ity avokoa ireo. Misy antony mahatonga io tsy fandrosoana io. Tsy manaiky gisitra ! Araka ny mari-pandrefesana iraisam-pirenena, laharana faramparany maneran-tany i Madagasikara, raha […]
IFM Analakely: hiavaka ny fampirantian’i Andy Dominique Rak
Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny 12 hatramin’ny 24 febroary 2024, ny fampirantiana «Fractures Quantiques», tontosain’i Andy Dominique Rak, Malagasy mpahay kanto sy mpikirakira teknolojia. Somary miavaka sy mialakely amin’ny mahazatra izy ity, noho izy mampahafantatra ny fifandraisana, izay somary manjavozavo, eo amin’ ny maha olombelona […]




