kolon-tsaina

Mozea Rainilaiarivony: hamerenana ny lanjan’ny kolontsaina

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Mozea Rainilaiarivony etsy Amboditsiry. Nilaza ny minisitra fa hamerenana ny lanjan’ny kolontsaina sy hikajiana ny vakoka misy eto Madagasikara ny antom-pisian’izao. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Mozea Rainilaia­ri­vony etsy Amboditsiry. Trano fonenany, tamin’ny fotoana naha praiminisitra azy nandritra ny 31 taona, teo anelane­lan’ny 1864 sy 1895. […]

ADMC – CRAAM : hifampizarana ny tontolon’ny dihy

Tanterahina eny amin’ny foiben-toeran’ny ADMC- CRAAM Ankatso, ny 19 avrily 2023, ny resadresaka sy fifanakalozana eo amin’ny mpianatra sy ny mpahay kanto matihanina iray. Hetsi­ka karakarain’ny mpianatra mpikambana eo anivon’ny Associatioin Des Mediateurs Culturels na ADMC. Tan­jon’ny hetsika ny hanomezana tosika amin’ny alalan’ny fanoloran-kevitra sy fifampizarana amin’ny olona efa matihanina […]

Lico Kininike : voatendry ho ambasadaoron’ny Telma

Voafidy ho anisan’ny ma­soivohon’ny orinasam-pifandraisana Telma i Lico Kini­nike. Notanterahina, omaly, teny Andraharo, ny fampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy. Mpana­kanto anisan’ny manana ny maha izy azy sy mbola tena tanora i Lico Kininike. Ny taona 2018 izy no nanomboka hita teo amin’ny sehatra matihanina teo amin’ny haikanto. Tanjona amin’izao ny […]

Kolontsaina sy asa sosialy: hanatanteraka hetsika « Tia mizara » ny Voice for Light

Talenta, hoentina hanasoavana ny namana. Endrika iray isaloran’ny hetsika « Tia mizara » karakarain’ny Voice for Light sy ny Vondrona fototra laika ao amin’ny FJKM Ambanilalana Finoana. Hiaraka ao anatin’ny roa andro ny kolontsaina sy ny fanatanterahana asa sosialy ho fanampiana ny mpiara-belona miaina ao anatin’ny fahasahiranana. « Tia mizara », hetsika karakarain’ny Voice […]

“Mihamy Mada Fashion”-Toamasina : nasongadina ireo mpamoron-damaody

Tontosa ny fanamby! Ni­katona ny alin’ny sabotsy teo, tao Toamasina ny andiany fahefatra amin’ny “Mihamy Mada Fashion”. Hateloana nanomezan-danja ny sehatry ny haihaingo sy lamaody ny hetsika. Raha toa ka teto Antananarivo hatrany ireo andiany telo voalohany, nosafidiana manokana i Toama­sina mba hanasongadinana ireo mpamoron-damaody sy ny akora avy any […]