Mety ho anarana vaovao amin’ny maro. Azo antoka anefa fa hiverimberina ary halaza tsy ho ela. Mihora Andrianina, Aina Maharavo, Zina Rabedaoro, Deds Clodio ary Tsiresy Radilofera. Tanora mpanao hatsikana, homena sehatra eny Itaosy aloha… Toa tsy misy misongadina mihitsy ireo tanora mpanao hatsikana? Fanontaniana heno mipetraka matetika io. Ny […]
kolon-tsaina
ENS Ampefiloha : manandratra ny hasin’ ny teny malagasy
Nifarana ny zoma teo ny hetsika fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy, teny anivon’ny Ecole normale supérieure (ENS) Ampefiloha. Nokarakarain’ny mpianatra rehetra teo anivon’ny sekoly. Nampitondrainy ny lohahevitra hoe: “Teny malagasy, fototra mampandroso ny fanabeazana”.Tanjona ny hanandratana ny teny sy ny maha-Malagasy manoloana ny rivotra mitsoka avy any ivelany. Nanambara […]
« Star Tour Tanà » : nafana ririnina ny Coliseum
3 andro an-danonana. 3 andro nahitana olona nifanaretsaka, tonga namonjy ny karazam-pialamboly natolotra azy, ny tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Nahatratra ny tanjona napetraka ny hetsika « Star Tour Tanà », tontosa ny zoma hatramin’ny alahady lasa teo. Tsy nahasakana ny mpiala voly ny hatsiaka, indrindra nandritra ny fotoan’ny fanentanana sy ny fampisehoana. […]
Fitondrana am-bavaka ny firenena : nanaka-danitra ny antsam-piderana tetsy Mahamasina
Efa mahazatra isan-taona ny « podium » etsy sy eroa, ny afomanga, ny matso ary ny fampisehoana aorian’izay. Niavaka tamin’ity taona ity kosa ny seho ara-pilazantsara lehibe, nitondrana am-bavaka ny firenena tetsy Mahamasina. «Antsam-piderana ho an’ny firenena ». Seho goavambe, tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena izy ity. Notontosaina ny alahady […]
Tantaran’ny mpanjaka: hitohy anio ny seho, ao amin’ny Kianja Masoandro
Seho indroa miditra avy hatrany ny anio. Ho famaliana ny hetahetan’ireo marobe te hahita mivantana ny seho ao amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova io. Nasiana fidirana manokana izay mirary ihany koa, ho valin’ny fangatahana hatrany. Izay ny antom-pisiany. Natao hamerenana ny tantaran’ny mpanjaka, izay miaraka amin’ny tantaran’ny Rova ihany koa […]





