« Ry tanora zandry sy zanaka. Ho avy ny fotoanan’ny fialan-tsasatra, hakana aina sy hamerenana ny herim-batana sy ny herin-tsaina. Hanovozanana fahalalana ivelan’ny rindrin’ny sekoly. Ho anareo no ijoroan’ny « Mozean’ny saripika » eto Anjohy. Hizaranay fahalalana mikasika ny tantara ». Fanentanana sy antso notanterahin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny « Mozean’ny saripika », ho an’ny ankizy sy […]
kolon-tsaina
“Antsam-piderana ho an’ny firenena”: mpanakanto ara-pilazantsara maro no hanafana ny seho
Hotanterahina ny alahady 25 jona 2023, ao amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny « Antsam-piderana ho an’ny firenena ». Fampisehoana goavana karakarain’ny fiadidiana ny Repoblika, iarahana amin’ny mpanakanto sy antoko mpihira ara-pilazantsara miisa 18. Hetsika ara-javakanto sy hitondrana am-bavaka ny firenena, mialoha ny hankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena izao hetsika […]
Handeha “streaming”: hanafana afon-dasy indray ry Mahaleo
Revy Mahaleo, manodidina afon-dasy… Misy sary avy hatrany ao an-tsain’ny mpankafy, indrindra ireo efa nahazoazo taona ka naharaka ny tarika tany amin’ny taona 1982, izany hoe, teo amin’ny faha-10 taonany. Nisy ny horonantsary nirakitra izany, ary fotoana mamy na ho an’ny tarika na ho an’ny mpankafy io, hatramin’izao. Nitsiry ny […]
Faribolana Sandratra: raikitra ny « Vahim-bazo »
Hiavaka noho ny mahazatra hatramin’izay ity antsam-paribolana ity. Hotanterahina, rahampitso 24 jona, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ny « Vahim-bazo ». Hetsika iray hitambarana fankalazana telo sosona : « Iray volana hanandratana ny teny malagasy » sy ny « Iray volan’ny ankizy » ary ny « Fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ». Tsy hiala lavitra ireo […]
Seho miavaka: hiray sehatra i Rija Ramanantoanina sy i Lalie
Hanolotra seho miavaka ho an’ny mpankafy Rija Ramanantoanina sy Lalie, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny zoma 30 jona 2023, ny Grace Event. Hovelomin’i Rija Ramanatoanina sy i Lalie indray ny kanto taloha sy ny nahafantarana azy ireo fahiny. “Seho goavana no hampanantenainay ary mozika miavaka sy manana ny maha […]





