kolon-tsaina

Tarika AmbondronA : nampifandray ny Malagasy, miavaka ny tarika matihanina

Tsy ho voakosoka ny tantara mipetraka! Olona mifety sy miara-paly no nameno ny Kianjan’ny 13 mey. Nampiray fo ny Malagasy ny sehon’ny tarika AmbondronA teo Analakely, omaly. Firaisam-po sy saina. Izay no azo ilazana ny zava-niseho teo Analakely nandritra ny fampisehoana nataon’ny tarika AmbondronA, omaly, nanoloana ny Lapan’ny Tanà­nan’Antananarivo. Seho […]

Oniversite Ankatso: haverina ny hetsika ara-kolontsaina

Mikarakara hetsika ara-javakanto ho an’ny rehetra ny mpianatra mpikambana ao anatin’ny Association des Médiathèques Culturelles na ADMC eny Ankatso. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny hetsika ara-koltoraly eny amin’ny Oniversiten’An­katso sy fampirisihana ny mpianatra eny hirotsaka eo amin’izany sehatra izany. Efa nisy ny hetsika natao ny alarobia lasa teo hisarihana ireo […]

A.Edi. M : Andiany faha-17 ny « Tsenam-boky »

«Ampitao amin’ny taranaka ny fahalalana. Vakio ny boky». Io ny lohahevitry ny «Tsenam-boky», andiany faha-17. Hetsika karakarain’ny «Association des Editeurs de Madagascar» (A.Edi.M), ny 17 avrily ka hatramin’ny 21 avrily izao, eo amin’ny zaridaina Ortana Antaninarenina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny lalana sy fanentanana momba ny tontolon’ny boky. Tafatafa amin’ny […]

Alahady faha-3 : sokafan’ny Jazz Club CGM/GZ ny sehatra

Isaky ny alahady faha-3 ao anatin’ny volana iray, mihaona sy manome sehatra ny mpitia jazz ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Hotan­terahina rahampitso, ao amin’ ny Cercle Germano-Mala­gasy/Goethe-Zentrum, toha­tohabaton’Antaninarenina izany ho an’ity volana avrily ity. Hosokafan’izy ireo ho an’ny talenta vao sy ireo liana amin’ny jazz ny sehatra. Fifampizarana, […]

Tarika AmbondronA : hisaotra sy hiara-paly amin’ny mpankafy etsy Analakely

Fampisehoana fiarahana mifaly noho izay 20 taona niarahana izay no atolotry ny tarika AmbondronA ho an’ny mpankafy azy. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanatanterahana izany. Tontosa omaly, tao amin’ ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny resadresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahana tamin’ny solonte­nan’ny tarika AmbondronA sy ny tomponandraikitra […]