kolon-tsaina

Tropy Jeannette: haverina ho an’ireo mpianatra ny « H.M »

«Tropy Jeannette, mampitia hatrany ny teatra malagasy». Teny fanevan’ity tropy teatraly zokiny indrindra sy mihetsika indrindra ity io. Ho porofon’izany, hanolotra seho teatraly manokana ho an’ireo mpianatra izy ireo, ny 8 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Tranompokonolona Anala­kely. Ilay piesy «H.M», nosoratan-dRakoto de Monplaisir, izay vao […]

Sarimihetsika: tafatsangana ny trano mpamokatra Laza Production

Production, izay tantanin’ny tale jeneraly Laza Re­tsanga. Eny Ambodirano Iva­to no misy ny foibeny. Hia­trika asa avy hatrany ry zareo. Eo am-panomanana ny horonantsarimihetsika “Anjoria” izy ireo ankehitriny ary hivoaka tsy ho ela ny vokatra, raha ny filazan’i Laza. “Ny hanandratra avo ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy no tanjon’ny Laza Production. […]

Seho etsy sy eroa…: nanokatra ny “Fetin’ny Fahaleovantena” ny “Fetin’ny Mozika”

Efa volon’andro fety! Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fidirana amin’ny fetim-pirenena. Nitohy, omaly, tamin’ny “Fetin’ny Mozika” izany, ary haharitra hatramin’ny 26 jona. Efa nisy tamin’ny faran’ny herinandro. Nalefa mialoha mantsy ny fa­namarihana ny “Fetin’ny Mozika”, teny Tanjombato ny sabotsy lasa teo, izay nokarakarain’ny Alliance Française. Nitohy omaly izany, tamin’ny […]