Nifarana, omaly, ny telo andro fankalazana ny fomban-drazana antsoina hoe “Fandroana”. Notanterahina tao amin’ny fokontany Nameha, kaominina Ambahive, distrika Manakara ny ivony. Anton’ny hetsika ny fahavitan’ny mosary sy ny fahasahiranana satria miakatra ny voka-bary sy ireo fambolena maro samihafa. Maro ny hetsika nataon’izy ireo nandritra ny fankalazana. Nanatanteraka joro sy […]
kolon-tsaina
“Festival Donabe” : homena lanja ny haikanto
Tontosaina any Antsohihy, manomboka ny 21 hatramin’ ny 23 jolay 2023, ny « Festival Donabe » andiany voalohany. Ny mpanakanto Dadi love, miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka aminy sy ny tomponandraikitra ara-panjakana any an-toerana no mikarakara izao hetsika lehibe izao. Seho ara-kolontsaina sy fifaninanana maro no hameno izany fotoana hanaovana ny hetsika izany. […]
Fetin’ny mozika : handray an-dry Raboussa, Vy Mamay… ny IFM
Mitohy hatrany ireo seho an-tsehatra tafiditra ao anatin’ny hetsika « Fetin’ny mozika ». Toerana maro no ahitana izany. Iray amin’ireny ny etsy amin’ny IFM Analakely, anio. Fitendrena piano, mozika rap, tononkira mientana… Hanana endrika samy hafa kanefa mifameno amin’ny maha mozika azy ny seho hotontosaina anio, etsy amin’ny Institut Français Madagascar (IFM) […]
Rovan’i Madagasikara: mariky ny fandresena ny fisokafany indray
Tao Anatirova no nananganana ny saina fotsy… Nanamarika izany ny taona 1897 fa resy ary lasa zanatany frantsay i Madagasikara. Resy fanindroany indray ny 6 novambra 1995, rehefa ravan’ny afo tanteraka ny Rova. Tafarina ihany kosa anefa, ka midika ho fandresena miezinezina ny fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara indray. Araho ny tantara… […]
Fanja Andriamanantena : «60 taona ny mozikako»
«Hay moa efa nisy fotoana nahavoa mafy ity feoko ity, satria tsy nampiasaiko loatra. Tsy dia nihira intsony aho. Dia teo vao tsaroako, fa hay moa tsy azo ny mandevin-talenta nomen’Andriamanitra ?», hoy i Fanja Andriamantena, tao anatin’ny pejy ifaneraserany amin’ny mpankafy ao anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Mazava loatra ny dikany fa […]





