kolon-tsaina

Tontosa ny fanadinana : hamoaka mpampianatra fito ny Valiha Académie

Tontosa ny sabotsy 17 jona teo, teny amin’ny Lycée privé Daniel, Andravoahangy am­bony, ny fanadinana ho an’ ireo mpianatra valiha eo anivon’ny Foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Acadé­mie. Fantatra taorian’ity fitsapam-pahaizana ity fa ny mpiadina 7 mianadahy (6 lehilahy, iray vehivavy) no hivoaka ho mpampianatra amin’izy ireo. Anisan’ny nanadinana ny […]

Fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara : maro sahady ireo nitsidika nandritra ny andro voalohany

Ankoatra ny maha andrin’ny tantaran’Antananarivo manokana sy i Madagasikara amin’ ny ankapobeny, toerana mahasarika ny vahiny sy ny tompon-tany koa ny Rova. Mitoetra ny maha fampahafantarana ny tantara azy. Tsindrindaona te hahita ny ao anatiny… Niro­hotra maro ireo nanam-panirina ny hitsidika ny Ro­van’i Madagasikara, om­aly, andro voatondro isokafany voalohany ho […]

“The chosen” : voadika amin’ny teny malagasy

Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, tetsy Ando­hatapenaka, teny amin’ny Canal olympia, ny sabotsy teo, ny horonantsary Ameri­kana: “The chosen”, izay nadika tamin’ny fiteny ma­lagasy. Andian-tantara nalaina tao amin’ny baiboly, manasongadina ny fiainan’i Jesoa Kritsy nanomboka teo amin’ ny faha-28 taonany sy niarahany tamin’ny Apostoly 12 lahy. Handeha amin’ny fahitalavi-pirenena, manomboka […]

CUA – Tropy Jeannette : nahaliana ny tanora ny nilalaovana ny tantara « HM »

Ho an’ny sasany, «sambany». Ho an’ny hafa, «hay ve tahaka izany no atao hoe teatra». Ho an’ny ankamaroan’ ny tanora tonga tetsy anolo­an’ny Lapan’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra : «tena liana be izahay. Heveri­nay fa mitovy amin’ilay tantara nolalaovinay tany am-piangonana…» ! Nahaliana ny tanora ny nilalaovan’ny Tropy Jeannette amin’izao fotoana […]

« mozikara » : mpanakanto 300 nanentana

Raha ny efitrano na ny tokontany malalaky ny AFT Andavamamba no nahazatra hatramin’izay. Tamin’ny alalan’ny “Carnaval Mozikara” indray no nentina nanamarika ny «Fête de la musique», tamin’ity taona 2023 ity. Niainga teo Mandrimena, nandalo an’Andoharanofotsy, tonga teo Tongarivo Tanjom­bato, izay nolalovan’ny «Car­naval», voasarika ny hijery avokoa. Nahatratra 300 mahery rahateo […]