28 taona aty aorian’ny nahamay azy, tafatsangana ny Rovan’i Madagasikara. Fanambin’ ny filohan’ny Repoblika ny fanarenana izany, raha vao nandray ny fitondrana izy. Notanterahina omaly, ny fanokafana ny Rovan’i Madagasikara, taorian’ ny fanarenana sy fanavaozana azy. Notokanana, niara-dalana tamin’izay koa ny kianja Masoandro, izay fotodrafitrasa vaovao. Nitarika ny lanonana ny […]
kolon-tsaina
Havàtsa-Upem : miditra amin’ny andro fahatelo ny atrikasa
Tontosaina anio, eny amin’ ny foiben’ny Havàtsa Upem, Tahala Rarihasina Analakely, ny atrikasa famoronana tantara foronina. Ny fikambanan’ny Poeta sy ny mpanoratra Havàtsa-Upem no mikarakara ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy. “Anisan’ny fantsona sy fitaovana entina manabe ny tantara foronina ankehitriny. Izany indrindra no tokony […]
« Programme de participation » : tetikasa dimy nahazo fanohanana avy amin’ny Unesco
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa « Mise en oeuvre des projets soutenus par le programme de participation 2022-2023 de l’Unesco ». Nosoniavina, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy, ny fanomezana tohana ho an’ny tetikasa dimy misehatra eo amin’ny tontolo iandraiketan’ity sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ity. Fantatra, araka ny […]
Lalaon’ny Frankôfônia : sokajin-kanto 8 no hifaninanan’ny Malagasy
Efa nivoaka ny lisitra. Taranja valo no handraisan’ny solontena malagasy anjara amin’ny sehatry ny zavakanto, mandritra ny Lalaon’ny Frankôfônia andiany faha-9. Hotontosaina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny lalao, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Azo lazaina fa manan-ko hantenaina i Madagasikara amin’ireo sokajy hira, […]
Teatra manakaiky vahoaka : nahazo 12 tapitrisa Ar ho fampitaovana ny Tropy Jeannette
Sokajin-kanto miaina, mitohy ary tsy lefin’ny taona ny teatra. Misedra olana maro, saingy misy mpanohana sy mpankafy hatrany. Porofon’izany ny nahazoan’ny Tropy Jeannette fanohanana amin’ny tetikasan’izy ireo ato ho ato. 6 tapitrisa Ar mahery, avy amin’ny vondron’orinasa Andriantsitohaina sy ny Fondation Sodiat. Fanohanana hoan’ny Tropy Jeannette, mba hanatanterahan’izy ireo ny […]





