kolon-tsaina

“Urban Talenta”: tompondaka Rangita, Tanjona ary ny Art-Kalo

Sento Arilala Sylvie na Rangita teo amin’ny sokajy Rap. Tanjona Randrianarivelo teo amin’ny sokajy Rn’B. Ny tarika Art-Kalo kosa no nibata ny amboara teo amin’ny sokajy “tropical”, nandritra ilay fi­faninanana “Urban Talenta”. Tontosa ny alahady tolakandro teony famaranana ity fifaninanana talenta vao ity, ka ireo no nofidian’ireo mpijery sady mpankafy […]

Apinga: mampandroso ny firenena Malagasy ny kabary

“Isan’ny ahafantaran’ny vahiny ny maha izy azy antsika Malagasy ary mampandroso ny firenena ny fanajana ny kolontsaina”, hoy ny filohan’ny mpikabary eo anivon’ny fikambanana Apinga, Toavi­ma­nampisoa Mitahiry Fa­hendrena. “Mijoro ny hampandroso ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy ary hamita ny iraka ho an’ny firenena ny anjara andraikitry ny fikambanana mandalina […]

Tendry Gitara : mitohy hatrany nyfampiofanan’i Arnito

Mikisaka mihazo ny faritra atsimo indray ny dian’i Arnito, ilay kalazalahy frantsay eo amin’ny tontolon’ny fitendrena gitara. Taorian’ny hetsika maro isaky ny karazany avy teto Antananarivo sy tao Antsirabe. Ny mpankafy gitara manomboka eo Am­bo­si­tra sy Fianarantsoa ary To­li­a­ra indray no hahazo ny anjarany avy amin’i Arnito. He­tsi­ka karakarain’ny Academie […]

“Raharaha Omda”: mifanipa-kevitra ny samy mpanakanto 

Mafampana ny toe-draharaha eo amin’ny samy mpanakanto. Niitatra ny « Raharaha Omda », mahatonga fizarazaran-kevitra, taorian’ny fiantsoana fivoriambe izay hotontosaina rahampitso. Nanao fanambarana ny sendikan’ny artista. Naneho hevitra koa ireo mpanakanto hafa tsy momba izany… Inona no hitranga rahampitso ? Liana dia liana amin’ ny valin’izay fanontaniana izay ny mpanaraka ny vaova­on’ny mpanakanto. […]

AFT : hisy ny fankalazana ny “Nuit de la lecture”

Tanterahina ny takarivan’ny asabotsy 21 janoary 2023, ny “Nuit de la lecture”, amin’ity taona 2023 ity. Isan’ny mankalaza izany koa ny eto Madagasikara, amin’ny ala­lan’ny Alliance Française. Ny amin’ity taona ity, ny any Toamasina no mankalaza izany amin’ny alalan’ny hetsika tanterahina ao amin’ny Alliance Française Toama­sina, manomboka amin’ny 4 ora […]