kolon-tsaina

Faha-200 taonan’i Louis Pasteur: ny mpianatra no tena liana amin’ny fampirantiana

Notontosaina teny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely, nanomboka ny 13 desambra 2022 ary tsy hifarana raha tsy ny 21 janoary 2023, ny fampirantiana ahatsiarovana ny faha-200 taona nahaterahan’i Louis Pasteur. “Bicentenaire de la naissance et son héritage à Madagascar” no lohateny nampitondrain’ny mpikarakara ity hetsika ity. Ankizy […]

Rovan’i Madagasikara: hamboarina ny tilikambon’ny fiangonana

Fotoana vitsy lasa izay no nahalalana fa nisy nitriatra ny tilikambon’ny FJKM Trano­vato Anatirova. Voa­laza fa nilatsahan’ny varatra no nahatonga ny fahasimbana, ka nisy ny fijerena ny fanamboarana sy ny fanarenana nataon’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, tamin’ny ala­lan’ny Ofisin’ny Rovan’i Madaga­si­kara. Araka izany, nankatoavin’ny Filankevitry ny […]

Kolontsaina sy zavakanto: lany andro maka tahaka sy manao fampitahana ny Malagasy

« Ny soa fianatsa », hoy ny fahendrena malagasy. Tena izay mihitsy ve ny iainan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ankehitriny ? Misy ny mitaratra fa ao ihany koa ireo tarafina. Ito farany izay azo sokajiana ho manana ny tsara halain-tahaka… Tsy tonga hatramin’ny farany anefa ny « soa fianatsa » fa matetika tafajanona eo amin’ny […]

“Urban Talenta” : hasongadina ireo talenta vao

Maro ireo tanora manan-talenta amin’ny sokajy zavakanto an-tanàndehibe, indrindra ny mozika. Ny sehatra hivelarana sy ny lalan-kizorana matetika no tsy ampy amin’ izy ireo. Antom-pisian’ny he­tsika “Urban Talenta” ny hanasongadina ireo talenta vao, izay tsy ampoizina ny ankamaroany. Lalao nokarakarain’ny fikambanana La Rue nous concerne tao amin’ny “facebook” izy ity. […]