Nomarihina omaly 21 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Maro ireo hetsika nentina nanamarihana izany. Niavaka kosa ny lanonana tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, satria nampahafantarina omaly ny fivoahan’ireo boky, sanganasan’ireo mendrika, indrindra tamin’ilay fifaninanam-pirenena momba ny literatiora. Nentina nanamarihana ny «Iray volan’ny teny malagasy» ny volana jona 2022 ny […]
kolon-tsaina
Taombaovao malagasy: voahaja ny fomba, tafita ny hafatra
Manomboka mahafantatra ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Maro ny efa saropiaro amin’izany ka mitandrina fatratra mba tsy ho very hasina. Manaja ny fomba sy mampita ho an’ny taranaka. Ankoatra ny isan-tokantrano, toerana na faritra maro manerana ny Nosy sy tany ivelan’i Madagasikara no mankalaza ny Taombaovao malagasy, omaly mitohy anio. […]
Fomba amam-panao : rahampitso ny Taombaovao malagasy
Ny Malagasy, manana ny fombany ! Ezahina haverina sy hampahafantarina ny taranaka aty aoriana ireny fomba amam-panao ireny, amin’ny vanim-potoana lehibe tahaka izao. Fidiovana sy tsodrano. Ireo no anisan’ ny tanterahina anio sy rahampitso. Fidiovana eo amin’ny Malagasy tsirairay, eo amin’ny toerana sy ny faritra ary ny firenena iray manontolo. […]
“Festival international du cinéma vues de l’Afrique” : tombony ho an’ny mpanatontosa horonantsary
Nisokatra, omaly, tany Montréal, Canada, ny “Festival international du cinéma vues d’Afrique”, andiany faha- 39. Mandritra ny folo andro no hanatanterahana ity hetsika lehibe ity. Ny 30 avrily 2023 no hanatontosana ny lanonam-pamaranana, hamantarana izay voafidy ho mpandresin’ity andiany ity. Fifaninanana ho an’ny horonantsary avy aty Afrika izy ity. Ny […]
Hira vokatry ny tany: hankalaza ny faha-30 taona an-tsehatra ny Ny any Aminay
Ny any Aminay… Mahalala ny sanganasan’ity tarika ity avokoa, rehefa mpankafy ny mozika vokatry ny tany. Sady hamerina ny fahiny no hanome ny taratry ny ho avy ny tarika. “Ataovy fihavanan-dandy ny fiainana”. Teny filamatry ny tarika Ny any Aminay, hatramin’ny niantombohany izay. Mbola tozoin’ ny tarika 30 taona mahery […]





