kolon-tsaina

Hira sy vakodrazana malagasy : mitrandraka ny any an-doharano ny tarika Diary

Ny miezaka mamelo-maso, mitahiry ary mampahafantatra ireo haren’ny mozika nentim-paharazana misy ma­nerana ny Nosy amin’ireo taranaka no antom-pisian’ny tarika Diary, izay niorina ny taona 2020. Mitrandraka ha­trany ifotony mihitsy ry zareo amin’izany. “Tononkira mirakitra anatra, misy vontoatiny no jarianay mba ho fanabeazana feno sahaza ny isam-baravarana. Ny trangam-piainana andavanandro (fitiavana, […]

Zavakanto “Marqueterie”: hampiranty eto amintsika i Guy Pradel

Hotanterahina ny 07 fe­broary 2023, hatramin’ny 25 febroary 2023, ny varotra fampirantiana hataon’i Guy Pradel, mpanakanto manana fahaizana manokana momba ny rakitakela-manify na “Mar­­quéterie”. Ao amin’ny Institut Français de Mada­gascar na IFM Analakely no hanatanterahana ny hetsika. Lohahevitra amin’izany fampirantiana izany ny “Sacra­mental”, lohahevitra mampiseho ny mahakasika ny fanantenana sy […]

Mitohy ny fankalazana ny 50 taona: “Tsy handimby ny Mahaleo izahay”, hoy ireo taranaka

Mitohy ny “Revy Mahaleo”. Taorian’ny fitetezam-pirenena, hanohy ny fankalazana ny faha-50 taona eto an-tanindrazana ny tarika Mahaleo sy ny taranaka… Voavaly ny kihana sy ny fanontaniana maro mipetraka! Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tarika Mahaleo, omaly, nitantara ny tontosa tamin’ny fanamarihana ny faha-50 taona, sy niresaka ihany koa ny fandaharam-potoana […]

Taratry ny kanto

T-Club – Boboh sy Tonton Pà “Tafaray 2023”. Io ny nampisalorana ny fiarahana an-tsehatra hataon’i Tonton Pà (tarika Rebika) sy i Boboh (tarika Mahavanona), anio manomboka amin’ny 2 ora. Natao tolakandro satria sady fotoana hitokanana ny T-Club, toeram-pialamboly vaovao etsy amin’ny 67 ha izy ity. Mazava loatra fa sady misantatra […]

“Miss World 2023”: nivoaka ny datin’ny fifaninanana

Fantatra ny talata 17 janoary 2023, fa hotanterahina ny volana mey 2023 ny fifaninanana “Miss World 2023” andiany faha-71. Ma­nodidina ny 80 isa ny mpifaninana handray anjara amin’ity fifaninanana isan’ny lehibe eran-tany ity. Isan’ny firenena manana solontena amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan-dRajoelina Antsaly. Fifaninanana lehibe ha­ha­fahana mampahafantatra sy manandratra ny […]