kolon-tsaina

Fampiarahana ny sôva sy ny soukouss: hiverina eny an-tsehatra amin’izay i Magic Jah

Magic Jah, mpanakanto fantatra tany amin’ny taona 2006 amin’ny fiangaliana ny gadona mihetsika mampiavaka an’i Afrika tahaka ny ma­pôka, soukouss ary ny famolahana ireo vakodrazana malagasy hanjary kanto mitoetra. Nano­kana fotoana lava izy nentina nandalinana bebe kokoa ny tontolon’ny hira sy ny mozika. “Anisan’ny nohatevenina ny fomba famoronana hira izay […]

“Beko & Blues” : hisehatra any Toamasina ny Mikea

Tsy matetika! Fanara­raotra ny seho hataon’i Théo Rakotovao sy ny tarika Mikea aty an-tanindrazana. Iaraha-mahalala fa mahalana no afaka miaka-tsehatra eto izy ireo, noho ny fivoahana matetika any ivelany. Fantatra kosa fa hahazo tombony indray ny mpankafy any Toamasina, taorian’ny teto Antananarivo tamin’ny novambra lasa teo. Hisehatra ao amin’ny efitrano […]

Madagascourt Film Festival: manana ny maha izy azy ny sarimihetsika malagasy

Liana amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ny Malagasy. Na eo amin’ny famokarana izany na eo amin’ny fanjifana. Mangetaheta fanofanana ny eo amin’ity tontolo ity, hahombiazana mpisehatra bebe kokoa sy hisongadinan’ny sarimihetsika malagasy hatrany. Tontosa ny alarobia 18 janoary 2023, teny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Ana­lakely ny lanonana fampisehoana ny […]

VKMM : manamafy kolontsaina ny kabary

Taranja iray ahafahana mampandroso sy mampiroborobo ny kolontsaina malagasy ny kabary. «Betsaka ny tia sy mankafy io taranja io fa vitsy ny mandalina azy», hoy ny mpikabary eo anivon’ny VKMM (Vovonana sy Kia­din’ny Maha-Malagasy), Rako­toarisoa Tsilavina. Ma­ha­faty ny kolontsaina malagasy tanteraka ny habetsahan’ny kolontsaina vahiny sy ny teknolojia mitobaka eto […]

Sekolin’ny fiainana sy sehatra fandalinana mozika : feno 52 taona ny Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy

Mandia ny faha-52 taona nijoroany ankehitriny ny antoko mpihira Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Ita­osy, izay manana mpikambana 35 eo ho eo. Manome lan­ja manokana ny seha-panabeazana maha olona feno (va­tana sy saina ary fanahy). Nomarihin’i Mamisoa, filo­han’ny Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy fa sehatra iray malalaka ahafahana manabe […]