Tsy mba nanao «fety» ny Malagasy fa nanatanteraka lanonana. Fotoana nanehoana ireo fomba amam-panao heverina fa hampirindra hatrany ny fiarahamonina sy ny fifandraisany amin’Ilay Nahary. Saika vanim-potoana napetraky ny vahiny avokoa ny ankamaroan’ireo hanatanterahina «fety» ankehitriny. Na izany aza, fanararaotra ny tahaka izao fankalazana ny taom-baovao gregorianina izao. Fifanazavana, fifamelana, […]
kolon-tsaina
Fetin’ny faran’ny taona 2022: marobe ireo mpanakanto malagasy lasa any ivelany
Nivaly kosa ny roa taona tsy niasana ! Tamin’ity angamba no maro indrindra ny mpanakanto malagasy hanafana ny fetin’ny faran’ny taona any ivelany, indrindra ao Frantsa. Tafaverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mpanakanto mpanao mozika. Marina fa tsy izy rehetra no niarina taorian’ny niainana ny valanaretina, saingy azo ambara kosa fa efa […]
Taorian’ny tany ivelany : hamarana ny taona eto i Samoëla
Hifarana ny taona, hamarana ny “Bandy Rangahy Tour 2022” ihany koa i Samoëla sy ny tariny. Seho am-polony no tontosan’izy ireo tany ivelany, ka tao Frantsa ny ankamaroany, ny volana oktobra sy novambra ary ny fiandohan’ny desambra teo. Somary lasa alohan’ny namany, ka nisafidy ny hamarana ny taona eto an-tanàna […]
AFT Andavamamba : hanokatra ny “seho 2023” i Mirado sy Reko Band
Hamarana ny fankalazana ny faha-75 taonany ny Alliance Française Antananarivo. Homarihana amina fampisehoana, izay hanokatra ny taona ihany koa anefa izany hoan’ity ivotoeram-pampianarana sady ivon-kolontsaina etsy Andavamamba ity. Nosafidian’izy ireo hiray sehatra amin’izany i Mirado sy ny Reko Band, ny asabotsy 7 janoary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Mpanakanto […]
Asa fanoratana : maty i Françoise Bourdin
Nodimandry ny 25 desambra 2022, tao amin’ny trano fonenany tao Eure ao Normandie Frantsa, teo amin’ny faha 70 taonany i Françoise Bourdin . Isan’ny mpanoratra Frantsay nanana ny naha izy azy. Ny fanoratana asa soratra miresaka ny fitiavana ny tena nanahafantarana azy. Asa sorany nivoaka farany ny “Un si bel […]




